mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 4 août 2018

ANRCM : ny CENI no hanao ny asany

0
Ny CENI no hanantanteraka ny asan’ny ANRCM . Izay no fanazavana nomen’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny serasera androany. Antony raha ny fanazavana , ny fangatahan’ny HCC ny hanaovana lalàna mikasika marina ny fahaleovantenan’ity rafitra ity. Ny famerenana izany eny amin’ny Antenimierampirenena anefa tsy ho tratra intsony.

Augustin Rakotomanga (sendika-Air Madagascar) : mila fitsaboana any ivelany

0
Ny tsy fahampian’ny fitaovana hahafahana mitsabo ny aretin’ny voa eto amintsika no manery ny fandefasana olona hanaraka fitsaboana any ivelany raha ny fanazavan’ny mpitsabo nanaovana fanadihadiana. Tranga izay mahazo ny iray amin’ireo mpitarika sendikaly teo anivon’ny airMadagascar ankehitriny izay tsy mbola naverin’ny fanjakana hiasa tato anatin’ny 38 volana. Tomponandraikitra feno amin’ny fijerena ny toe-pahasalamany ny fitondrampanjakana raha ny fanadihadiana natao.

Kolikoly : Ampahany amin’ny raharaha Claudine R. no any amin’ny rafi-pitsarana Pôle Anti-Corruption

0
Efa any amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly vaovao na ny pole anti-corruption ny ampahany betsaka aizay vita fanadihadiana amin’ny raharaha fanodikodinana volampanjakana Claudine Razaimamonjy raha ny fanadihadiana natao. Mbola hisy ny fanadihadiana sy fisamborana ireo tomponantoka nahatontosa izay kolikoly avo lenta izay raha ny fanazavana.