Archives quotidiennes: 7 août 2018

Krizy – Fifidianana : olana ny tsy fisian’ny fifampitokisana

0
Ny tsy fisian’ny fifampitokisana amin’ny mpiantsehatra rehetra mikasika ny fifidianana no antony hiverenan’ny krizy politika hatrany eto Madagasikara, indrindra ny krizy aorian'ny fifidianana raha ny fanazavana. Betsaka ny pitsopitsony miteraka io tsy fahatokisana io hoy ny manampahaizana amin’ny fifandraisana iraisam-pirenena, isan’izany ny eo anivon’ny HCC.

Asa tena : ny fanajana mpanjifa no tsiambaratelo

0
Asa miavaka iray indray no entina aminao anohizana ny fampalalam-baovao . Ny fanaovana soudure na ihany koa ireo manao asa tanana momba ny vy. Ny mahakasika izay indray no entina aminao amin'ity fanadihadina manaraka ity.

Fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana : tsy tokony hialokaloka amin’ny resaka politikam-panjakana

0
Raha toa ka ny 08 oktobra hatramin’ny 6 novambra no fotoanan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana filohampirenena, Ny filazana hoe « fidio aho » no tsy mbola azo atao amin’izao fiatrehana ny fotoana alohan’ny fampielezan-kevitra izao hoy ny CENI. Ankilany, tsy tokony ho saromana amin’ny politikampanjakana ny vina entin’ny antoko na mpanao politika iray amin’izao fotoana ankatoky ny fifidianana izao raha ny fanazavan’ny mpandinika politika nanaovana fanadihadiana.

QMM : mihamafana ny toe-draharaha eo amin’ny tompon’ny tany sy ny orinasa.

0
Mihamafana ny toe-draharaha eoamin'ny tompon'ny tany sy ny Orinasa QMM amin'izao fotoana. Samy manana ny filazany ihany koa ny mponina ka mety hiafara amin'ny fifandonana raha tsy misy fandraisana fepetra.