mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 16 août 2018

Anatihazo Isotry : tsy voafehy ny fanorenena tsy ara-dalana sy ny tsy fandriampahalemana

0
Tsy voafehin'ny tompon'andraikitra misahana ny tontolon'ny fanatsara ny tanana indrindra fa ny tontolon'ny fanadiovana sy ny fanatsarana lakandrano eo ihany koa ny fanorenana tsy ara-dalana ny eo anivon'ny tananàn'Antananarivo, tsy mahavita ny asany ny SAMVA sy ny kaominina na efa manao ny anjarany aza ny eo anivon'ny Fokontany.

Fitsinjarana ny anjara fitenenana amin’ny fahitalavi-panjakana : ho fantatra amin’ny herinandro

0
Rehefa tsy tafapetraka ny ANRCM, ny CENI no handray an-tanana ny fitsinjarana ny anjara fitenenan’ireo kandida amin’ny amin'ny haino aman-jerim-panjakana amin'ny fifidianana filohampirenena. Aorian’ny atsapaka ny laharan’ireo kandidà afaka herinandro no hahafantarana izany. Miankina amin’ny isan’ny kandidà no ahafahana mamaritra izany ho an’ny fitenenana ao amin’ny fahitalavim-panjakana.

Fokontany Antanimarina – Kaominina Ankadinandriana : nahazo EPP vaovao

0
Nahazo EPP vaovao ny fokontany Antanimarina ao amin’ny kaominina Ankadinandriana. Vy nahitana sy angady nananana ny fanamboarana ny sekoly ny fikambanana « Construisons  pour Madagascar » sy ireo mponina eto Antanimarina. Hisokatra amin’ny taom-pianarana ho avy izao ny sekoly ka hanampy amin’ny fampihodonana izany ny antoko Malagasy Miara-Miainga.

Vahiny mitrandraka volamena – Vohilava Mananjary : miverina miasa indray, hoy ny mponina

0
Miverina miasa indray ny orinasa vahiny Mac Lai Sim Gianna izay manao ny fitrandrahana volamena ao Vohilava Mananjary, hoy ireo mponina any an-toerana. Amin'ny andro alina ireo vahiny no miasa raha ny fanazavana.