vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 17 août 2018

Session spéciale CEPE : tanterahina ny 28 Aogositra

0
Raha toa ka efa nisy ivontoeram-panadinana efa namoaka ny valim-panadinana CEPE androany, ivotoeram-panadinana miisa 15 kosa no hanantanteraka famerenam-panadinana ny faha-28 Aogositra izao. Mitohy kosa ny fanadihadiana momba ny antony tsy nahatanteraka ny fanandinana tany amin’ireo ivotoeram-panadinana miisa 15 ireo.

Fifidianana Filohampirenena : ho kandidà i RAJAONARIMAMPIANINA Hery

0
Hatramin’ny 4 ora tolakandro tamin’ny omaly, antontan-taratsy firotsahan-kofidiana miisa 13 no tonga etsy amin’ny foibe toeran’ny HCC etsy Ambohidahy. Nilaza i Rivo Rakotovao Filohan’ny Antenimerandoholonana omaly fa hirotsaka ho kandidà ny Filoha RAJAONARIMAMPIANINA Hery.

Lisi-pifidianana : miandry ny fiverenany eny anivon’ny fokontany ny vahoaka

0
Efa vonona tanteraka amin'ny firosoana amin'ny fifidianana ny vahoaka eny anivon'ny fokontany amin'izao fotoana izao saingy mbola mitebiteby ny amin'ny mety tsy hahatafiditra ny anaran'izy ireo any anaty lisi-pifidianana taorian'ilay fanamarihana ny anarana tamin'ny farany teo.

« Déchets Radioactifs » : hasiana toerana fanangonana manokana

0
Noresahina nandritra ny filan-kevitry ny minisitry tamin’ny Talata faha-14 aogositra lasa teo fa hasiana toerana manokanana hanangonana azy ny « Déchets Radioactifs » eto Madagasikara. Tranga izay niteraka fanontaniana maro tamin’ny mpanara-baovao.