vendredi 26 avril 2024
Accueil 2018 septembre

Archives mensuelles: septembre 2018

Fifidianana : mpiantsehatra maro no vonona hanara-maso

0
Hiroso amin'ny fifidianana ny vahoaka malagasy ny faha 7 novambra hoavy izao. Fifidianana izay hanehoan'ny tsirairay ny safidy malalaka an'izay filohampirenena hitondra azy. Fiarahamonim-pirenena sy fikambanana maro ankehitriny no vonona hanara-maso ny fifidianana izay.

Filoha teo aloha : mampiasa ho fitaovana ireo mpiasam-panjakana sy olom-boafidy

0
Amin'izao ankatoky ny fampielezan-kevitra izao, mampiasa ho fitaovana ireo mpiasam-panjakana sy ireo olom-boafidy ny filoha teo aloha RAJAONARIMAMPIANINA Hery. Tambazana moto ary ho tohanana mandritra fifidianana ireo ben'ny tanàna manaiky ny hampandany azy amin'ny fifidianana. Ireo lehiben'ny distrika no miandraikitra ny fizarana sy ny fanaraha-maso isaky ny Kaominina.

Seha-pihariana cacao : mihena ny kalitao, mihena ihany koa ny vokatra

0
Tsy nitsaha-nihena ny vokatra cacao ao amin'ny distrikan'Ambanja, faritry DIANA tato anatin'ny 5 taona farany. Ny fandripahana tsy ara-drariny ny ala sy ny fiovaovan'ny toetry ny andro no isan'ny mahatonga izany raha ny fanadihadiana natao.

Kariera Anjozorobe : aiza no nalevina ny havanay, hoy ny fianakaviana

0
Taorian'ny fanehoana sy ny famoahana ny sarin'ny zanaky ny filoha teo aloha RAJAONARIMAMPIANINA Hery, izay voasaringotra tamin'ny raharaha namoizana ain'olona tany amin'ny kariera Anjozorobe, nivoaka tamin'ny fahanginany ny havan'ilay namoy ny ainy ary nijoro vavolombelona, nanamafy fa tany an-toerana tokoa ny zanaky ny filoha teo aloha. Mangataka ny hanoroana ny toerana nandevenana ny havany ihany koa izy ireo.

« Sondage Politique » : nosakanana tamin’ny ora farany ny famoahana ny vokatra

0
Nosakanana tamin'ny ora farany ny famoahana ny vokatry ny "Sondage Politique" nokarakarain'ny FES. Mety hiteraka korontana mialohan'ny fotoan'ny fampielezan-kevitra sy mandritra ny fifidiana izany raha ny fanazavana. Fomba fanao izay nanaitra ny be sy ny maro amin'ny maha tany Demokratika an'i Madagasikara.

RAJAONARIMAMPIANINA Hery : nifanaraka an-tsokosoko tany Sina hampiditra sambo mpanjono sinoa miisa 330

0
Andro vitsy monja mialohan’ny tsy maintsy nametrahan’ny Filoha teo aloha RAJAONARIMAMPIANINA Hery fialàna dia nambaran’ny CAPE na ny Coalition pour des accords de pêche équitables fa nanao fifanarahana an-tsokosoko tamina fikambanan’orinasa The Century Investments Developments Corporation ny tenany tany Chine hampiditra sambo mpanjono sinoa miisa 330 eto amin’ny sisin-dranomasin’i Madagasikara.

Lehiben’ny PAF Ivato Seranana : « ireo mpiara-miasa no miketrika ny lesoka »

0
Vokatr’ilay horonan-tsary nampiseho ny gaboraraka amin’ny fanaraha-maso eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato dia nanambara ny avy amin’ny polisy miaro ny sisin-tany sy ny habakabaka na ny PAF (Police de l’air et des frontières) fa ireo tokony ho mpiara-miasa amin’izy ireo avy amin’ny SAMADA no matetika voarohirohy.

Fanamboarana Passeport : tsy ahitam-bahaolana, mikatso ny asa

0
Tsy mbola mandeha ny fanamboarana passeport eny amin'ny sampan-draharaha mikarakara izany eny Anosy. Raha ny fanadihadiana natao, tsy mbola vita ny milina manamboatra.

Lalana atody – Mahitsy : tsy manaiky ny fandrodanana trano ny vahoaka

0
Tsy manaiky ny handrodanana trano ireo mponina ao amin'ny fokontany Antandrokomby, kaominina Mahitsy. Trano izay tsy maintsy harodana noho ny fanitarana sy ny fanamboarana ny lalan'ny atody raha ny fanazavan'ny ben'ny tanàna.

Kaominina Mahitsy : delestazy hatrany amin’ny hopitaly

0
Lasibatry ny fahatapahan’ny herinaratra maharitra ora maro ny hopitalin’i Mahitsy tao anatin’ny andro vitsy izao. Tsy mizotra araka ny tokony ho izy manoloana izany ny asa fitsaboana hoy ireo mponina, efa maro ihany koa ny fahasarotana sy ny loza aterak’izay raha ny fanazavana hatrany.