vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 5 septembre 2018

Conseil d’Etat

0
Nihemotra ny fivoahan’ny valin’ny requête na fitorohana napetraka-na Kandidà filohampirenena teny amin’ny filankevi-panjakana mitaky ny fanafoanana ny fampiantsoana ny mpifidy handatsa-bato. Mazava anefa ny voalazan’ny lalàmpanorenana andininy faha 47 fa ny fahafatesana kandidà ihany no hahafahana manemotra fifidianana.

Arboretum

0
Mitohy ny asa fanorenana trano ao amin’ny arboretum Ambatobe. Avy aiza ny alalana manoloana ny didim-panjakana nivoaka mandrara izany? Tsy nahazoana fanampim-panazavana ny tomponandraikitra eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananantany.

Manovahosoa Moaramanga

0
Mitohy hatrany ny fanimbana ny ala amin'ny alalan'ny fitrandrahana didin-kazo ao amin'ny kaominina Antaniditra na eo aza ny fampiatoana efa natao. Orinasa vahiny nampidirina amin'ny alalan'ny VOI no manao ny fitrandrahana. Tranga izay efa tsy vaovao intsony amin'ny mpanara-baovao nanomboka ny taona 2015 sy ny resaka Soamahamanina.

Rano Ankadindravola

0
Tapaka efa ho telo andro ny rano avy amin'ny jirama amin'ny fokontany Ankadindravola sy ao Ambatolampikely. Vokatr'izay, tafakatra hatrany amin'ny 500 Ar ny anakaramana maka rano 1 bidon eny an-toerana. Mitaraina araka izany ireo mponina ary mangataka ny tomponandraikitra hamaha faran'iay hainga ny olana mitranga.