vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 6 septembre 2018

J- 2 Rajao

0
Afaka 2 andro ny fotoana voafaritra hametraham-pialan'ny filohampirenena amperinasa ka handraisan’ny filohan’ny antenimieran-doholona ny fahefana amin’ny maha filoham-pajakana azy. Na izany aza, hadino tanteraka ny sosialim-bahoaka mahatonga ny fitarainana etsy sy eroa. Variana amin'ny kajikajy politika sy ny fitazonana seza ny mpitondra.

Insécurité Ambatofinandrahana

0
Dahalo 200 lahy no nanafika tao an-tampon-tananan'Ambatofinandrahana ny alin'ny talata. Voaroba avokoa izay rehetra nolalovany, ary vehivavy mitondra vohoka 1 no nodoran'izy ireo tao amin'ny trano fonenany. Mitaraina ary manao antso avo amin'ny mpiotndra fanjakana ny mponina any an-toerana.

PM Mahazoarivo

0
Manoloana izay fitoriana na Requête napetraky ny Kandidà Tabera Randriamanantsoa sy Atoa RALAISEHENO Guy Maxime izay, naneho ny heviny ihany koa ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta. Malalaka ny fanehoan-kevitra manoloana ny raharaham-pirenena hoy ny izy. Na izany aza, efa voafaritra miloha ny tetiandro hirosoana amin'ny fifidianana ka tsy hiova amin'izay isika.

Conseil d’Etat

0
Nihemotra ho amin’ny Talata ho avy izao indray ny famoahan’ny filakevi-panjakana ny valin’ilay fitorohana na ny requête napetraky ny Kandidà Tabera Randriamanantsoa sy Atoa RALAISEHENO Guy Maxime. Tsy mampihemotra ny daty farany tokony hametrahan’ny filohampirenena fametrampialana io requête io raha ny nambaran’ny mpahay lalàna.