Archives quotidiennes: 12 septembre 2018

Fanafoanana ny fampiantsoana ny mpifidy : nolavin’ny Filankevim-panjakana.

0
Nolavin’ny teo anivon’ny filankevim-panjakana ny fitoriana na ny requête napetraky ny kandidà Randriamanantsoa Tabera sy A/toa Ralaiseheno Guy Maxime. Efa nandrasana ary nanaraka tanteraka ny voalazan’ny lalàna ny conseil d’Etat hoy ny mpahay lalàna nanontaniana. Feno ankehitriny ny fepetra hirosoana amin’ny fifidianana, hoy kosa ny teo anivon’ny CENI manoloana izany.

ANEDD – METFP : mitohy ny fiaraha-miasa ho fampiharana ny fampandrosoana lovain-jafy eny amin’ny sekoly

0
Tontosa tamin'ny andron’ny omaly teny amin'ny Akany Avoko Ambohidratrimo ny atrik'asa ho fampidirana eo amin'ny sehatry ny fanabeazana ny fampandrosoana lovain-javy, niarahan'ny ANEDD sy ny teo anivon'ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana

Filoham-panjakana : mazava ny andraikiny araka ny voalazan’ny lalàna

0
Mazava ny volazan’ny lalàna momba ny andraikitry ny Filohampirenena misolo toerana na Filoham-panjakana, hoy ny mpahay lalàna nanaovan’ny mpanao gazetin’ny KOLO TV/FM fanadihadiana ka tsy tokony hampirohirohy saina ny vahoaka.

Voka-panadinana BEPC : CISCO miisa 21 no efa nivaly

0
Cisco miisa 21 no efa namoaka ny voka-panadinana BEPC hatreto manerana an’I Madagasikara. Mbola miandry ny naoty taranja ara-panatanjahantena kosa ny fivoahan’ny vokatra ho an’ny cisco eto amin’ny faritra Analamanga. Amin’ny ankapobeny, saika nahitam-piakarana avokoa ny taham-pahafana tamin’ity taona ity ho an’ireo efa nivaly.

Filoha mpisolo toerana : misy andinin-dalàna maro mametra ireo tsy azony atao

0
Afaka mandray ny andrikitry ny filoha amin'ny maha filoha mpisolo toerana azy ny filoha Rivo RAKOTOVAO, saingy misy andinin-dalana maromaro mametra ireo tsy azony atao, araka ny fanapahana navoaky ny HCC, mitondra ny laharana fah 7-HCC/AV ny faha 7 ny volana Septambra 2018. Ny Filoha voafidim-bahoaka ihany no afaka mampihatra ireo andinin-dalàna maromaro ireo.