vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 13 septembre 2018

RAZAIMAMONJY Claudine : afaka noho ny fisalasalana tamin’ny raharaha 1 amin’ireo 16 nahavoarohirohy azy

0
Afaka noho ny fisalasalana tamin'ny raharaha iray amin'ireo 16 nahavoarohirohy azy i RAZAIMAMONJY Claudine. Tsy fahampiana ny vesatra hitanana azy amin'ny raharaha fanamboarana sekoly tany Ambalavao izay mitentina 200 tapitrisa Ariary no raharaha nitsarana azy omaly raha ny fanazavana azo teoanivon'ny PAC.

Distrikan’Antananarivo Atsimondrano : tafapetraka ny rantsan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga

0
Tafapetraka omaly ny biraon’ny antoko Malagasy Miara-Miainga eo anivon’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Tanjona ny fanamafisana ny rantsan’ny antoko eny anivon’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana toy ny kaomina sy ny fokontany, indrindra amin’ny fiomanana ny fifidianana hoy ny birao politika MMM.

CENI : mitontaly 9 913 599 ny isan’ny mpifidy ofisialy eto Madagasikara

0
Mitontaly 9 913 599 ny isan’ny mpifidy ofisialy voasoratra anarana ao anatin’ny lisim-pifidianana taorian’ny fampidirana ireo lisitra hadino miisa 23 159 izay neken’ny teo anivon’ny fitsarana.

Vidin-tsolika : niakatra 50 Ariary isaky ny litatra nanomboka ny fiandoahan’ny volana Septambra teo

0
Tsy fantatra mazava ny vidiny tena izy amin’ny vidin-tsolika eto Madagasikara. Mihoatra amin’ny voalaza ho tokony ho vidiny no anjifana ny solika eny amin’ny mpaninjara ankehitriny. Ny eo anivon’ny OMH anefa izay nilaza fa mbola maherin’ny 300 Ariary ny elanelana amin’ny vidiny tena izy.