vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 15 septembre 2018

Andry RAJOELINA tany Paris : naneho ny fahavononany hanaja ny Demokrasia

0
Naneho ny fahavononany hanajana sy hapanjaka ny demokrasia ny filoha mpanorina ny IEM Andry RAJOELINA raha izy no safidian'ny vahoaka hitantana an'i Madagasikara mandritra ny 5 taona manaraka. Izay no nivoitra nandritra ny fifanakalozan-kevitra niarahany tamin'ny l’Association Sciences pô pour l’Afrique notanterahina tany Paris.

Fanarahamaso sy fitsirihana ataon’ny OIF : tsy hisy fiantraikany amin’ny lisi-pifidianana

0
Tsy hisy fiantraikany amin’ny lisi-pifidianana sy ny fanatanterahana ny fifidianana filohampirenena ho avy izao ny fanarahamaso sy ny fitsirihana ataon’ny OIF eto madagasikara. Araka ny lalàna, ny faha-15 aprily lasa teo no efa nikatona ny lisi-pifidianana. Tsy misy azo kitihina intsony ny momba ny lisi-pifidianana taorian’izay raha ny fanazavana.

Fihaonana Chine – Afrique farany : hitondra inona ho an’i Madagasikara ?

0
Fifanekem-piaraha miasa miisa 4 no vokatry ny dian’ny Filohampirenena teo aloha RAJAONARIMAMPIANINA Hery tany Chine nandritra ny fihaonana Chine - Afrique, izay nitondrana delegasiona marobe. Fifanekem-piaraha miasa izay nosiniavina andro vitsy monja mialohan’ny fotoana tsy maintsy nametraham-pialana.

MEEF sy USAID : hanampy ny vondron’olona eny ifotony hitantana ny harena voajanahary

0
Nampahafantarina androany ny tetikasa USAID Hay Tao sy ny USAID Mikajy hanampy amin’ny fiarovana ny zavaboahary sy ny fandrindrana ary ny fampandrosoana ny vondron’olona eny ifotony eto Madagasikara. Aharitra 5 taona ny tetikasa ka faritra 2 tandindonindoza amin’ny fahasimban’ny valanjavaboahary no anombohana izany raha ny fanazavana.