vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 18 septembre 2018

Fanadinana Bakalorea : ambony ny tahan’ny tsy fahatongavan’ireo mpiadina

0
Ambony ny tahan’ny tsy fahatongavan’ireo mpiadina nandritra ny andro voalohan’ny fanadinana bakalorea omaly. Nizotra araky ny tokony ho izy ihany anefa ny fanadinana ho an’ireo foibem-panadinana rehetra teto amin’ny faritra Analamanga.

Lisi-pifidianana ofisialy : nanomboka androany ny fijerena ny anarana eny amin’ny fokontany

0
Niverina eny anivon’ny fokontany nanomboka ny faran’ny herinandro teo ny lisi-pifidianana ofisialy. Nanomboka omaly kosa ny fijeren’ny olompirenena izany ho an’ny ankamaroan’ny fokontany annaovana fanadihadiana. Fahadisoan’ny tsipelina amin’ny anarana no mateti-mitranga hoy ny eny anivon’ny fokontany.

Seham-pamokarana voankazo « melon » : tsy maharaka ny tolotra ny tinady

0
Tsy maharaka ny tolotra ny tinady eo amin'ny seham-pamokarana voankazo melon eto Madagasikara, miditra faty antoka vokatr'izany ireo mpamboly. Miantso ny fanampian'ny fanjakana amin'ny fitadiavana lalam-barotra any ivelany ireo mpisehatra amin'izany amin'izao fotoana izao.

Valan’aretina peste : olona 2 no maty tany Ankazobe sy Ambalavao

0
Olona 2 no matin’ny aretina peste tany amin’ny distrikan’Ankazobe sy Ambalavao Fianarantsoa tamin’ny herinandro lasa iny. Nailiky ny teo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka any amin’ny lafiny fahadiovana sy ny firongatry ny doro-taneny ny lesoka. Aiza ho aiza arak’izany ny fitohizan’ny ezaka vitan’ny ministera izay nanomezana mari-boninahitra ny filohampirenena RAJANONARIMAMPIANINA tamin’ny ady amin’ny pestsa tamin’ny taon-dasa ?