Archives quotidiennes: 19 septembre 2018

Fanakatsakanana ny fifidianana : tampina ny daomin’ireo mpanakorontana

0
Mitohy vakana ny fanampian’ireo firenena vahiny an’i Madagasikara amin’ny fanatontosana araka ny tokony ho izy ny fifidianana Filohampirenena mialohan’ny fotoana eto amintsika. Ankoatra ny fanampiana ara-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika ireo dia tsy sasatra ny manambara ihany koa izy ireo fa mizotra tsara ny fanomanana ny fifidianana ary ny fanatontosana fifidianana ihany no vahaolana ho an’ny Malagasy.

CRAAD-OI : « miaro ny mpitrandraka vahiny fa tsy miaro ny tontolo iainana ny O.N.E »

0
Miaro ny mpitrandraka vahiny fa tsy miaro ny tontolo iainana sy ny vahoaka malagasy ny Office National pour l'Environnement, hoy ny fanambarana nataon'ny fiarahamonim-pirenena Craad-oi. Porofon'izany hoy izy ireo ny fitrangan'ireo olana ara-pitrandrahana maro manerana an'i Madagasikara.

Fanendrena ny filohan’ny SRMV : ilaina ny fangaraharana

0
Ny sendikan’ny mpitsara sy ny ministeran’ny fitsarana no nanendry ny filohan’ny SRMV na ny Section de recensement des materiels de vote, izy ireo izay nanomboka ny fiofanana androany. Raha zohina anefa, mialohan’ny naha mpikambana teo anivon’ny CENI ireo solontenan’ny kandidà no nanaovana ny fanendrena ireo filohan’ny SRMV ireo.

Saran-dalana 500 Ariary : misy fanararaotana ataon’ny mpitatitra, hoy ny mpanjifa

0
Tafahoatra ny fampiakarana saran-dalàna 500 Ariary ataon’ny Taxi-be eto an-drenivohitra raha ny fanazavan’ny olontsotra nanaovana fanadihadiana. Takian’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa hatrany arak’izany ny fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra sy ny fanajana ny bokin’andraikitry ny fitaterana.