Archives quotidiennes: 21 septembre 2018

Euro : niakatra ny sandany

0
Maherin’ny 4000 ariary ny Euro iray, tsy mahazo aina ankilan’izay ny Ariary. Anton’io raha ny nambaran’ny mpahay toekarena ny tsy fahampian’ny tolotra manoloana ny tinady eo amin’izay fifamezivezen’ny vola eto Madagasikara izay.

EPP Behoririka : lasan’iza ny tany manodidina ?

0
Mifamahofaho ny resaka mikasika ny raharaha EPP Behoririka. Raha ny fanazavana azo tamin’ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra, efa nisy ny fanafoanana ny fanorenana manoloana ny EPP Behoririka saingy misy olona ambadika nanome fanomezan-dalana vaovao.

Aretina Pesta : tranga 13 nampiahiahy manerana ny distrika 7

0
Herinandro taorian’ny fiparitahan’ny resaka mikasika ny fiverenan’ny pesta eto Madagasikara, nahenoam-peo ihany ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamana omaly. Raha ny antontanisa voaray, nanomboka ny voalohan’ny volana Aogositra, olona 2 no matin’ny pesta hatreto.

Vidim-bary : Nahitana fiakarany manodidina 200 Ariary ny kilao

0
Ankoatran’ny fiakaran’ny vidin-tsolika, saran-dalana,sy ireo kojakoja maro hafa, miaka-bidy indray ny vary amin’izao fotoana izao ary efa hita taratra eny amin’ireo mpamongady io fiakarana io. Fiakarana izay manodidina ny 150 hatramin’ny 200Ar