vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 5 octobre 2018

Charte de bonne conduite

0
Manome 24 ora ny CENI sy ny fitondram-panjakana hamerina hanokatra ny lisi-pifidianana ny sasantsasany amin’ireo kandida mirotsaka ho fidiana. Tokony hapetraka mazava ihany koa ny lalàna mifehy ny fitondratenan’ny kandida mandritra ny fifidianana ho antoky ny fangaharahan’ny fifidianana raha ny fanazavana.

Cour des comptes

0
Ny JIRAMA sy ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena no tena nahitana ny gaboraraka be indrindra teo amin’ny sehatry ny fitantanambolam-panjakana ny taona 2015 sy 2016. Amina miliara maro no vola tsy fantatra mazava ny nalehany raha ny tatitra navokan'ny Cours des compte na ny Fitsarana momban'ny kaonty ny maraina teo.

Karatra mpanao gazety

0
Nanomboka androany ny fizarana ny karatra maha matianina ho an’ny mpanao gazety. Araka ny nambaran’ny minisitry ny serasera sy ny holafitry ny mpanao gazety androany, nohon’ny fandaminana vaovao, azo atao ny manao ny fangatahana ahazoana izay karatra maha matianina izay mandavan-taona ho an’ny mpanao gazety na orinasan-tserasera tsy nandefa ny antotataratasy fangatahana.

Suivi permis biométrique sanction

0
Tokony hisy ny fanenjehana araka ny lalàna. Tokony hisy fanasaziana ireo rehetra tompoandraikitra tamin’ny fampanamboarana carte grise sy karatra fahazoandalana biometrika tsy tena biometrika. Izay no nambaran’ny mpitsara sy mpandinika nanaovana fanadihadiana manoloana ny famerenana fanontana indray ny karatra biometrika.