Archives quotidiennes: 6 octobre 2018

Filoha RAJAONARIMAMPIANINA : tsy menatra ny mandainga amin’ny vahoaka

0
Nilaza ho tsy mahalala ny fisian’ny fifanarahana hitrandrahan’ny sambo sinoa miisa 330 ny fari-dranomasina malagasy ny filoha teo aloha Hery RAJAONARIMAMPIANINA. Ny mpanolotsainany Hugues RATSIFERANA no nanao sonia io fifanarahana io. Tsy nisy nefa ankilany ny fakan-kevitra ny mpisehatra voakasika sy ny ministera tomponandraikitra. Fatiantoka goavana amin’ny ara-tontolo iainana sy ny toekarena andranomasina no aterak’ity fitrandrahana ity.

Fanafarana fitaovana amin’ny fampielezankevitra : angidimby 8 no ahanton’ny ACM sy ny HVM

0
Manomboka ny antsojay sy ny sakantsakana ataon’ny fitondrana HVM amin’ny fanafarana ny fitaovana ampiasaina amin’ny fampielezankevitra. Angidimby miisa 8 ampiasani’ireo kandida goavana amin’ny fifidianana ho filohampirenena no ahanton’ny ACM. Nisy ihany koa ny didim-panjakana navoakan’ny ministera maromaro avy amin’ny antoko HVM manasarotra ny fampidirana angidim-by ho an’ireo mpifanandrina aminy.

Fampidiran-drano fisotro – Anosibe Zaivola: tsy mifampatoky ny mponina sy ny filoham-pokontany

0
Niteraka fifandirana eo amin'ny fokonolona ao Anosibe Zaivola sy ny filohampokotany ny fanamboarana fantsona hatongavan'ny rano fisotro madio isan-tokatrano noho ny kajikajy ara-bola izay tsy mazava amin'ny mponina.

« Carte grise sy permis biométrique » eto Madagasikara : misafotofoto tanteraka

0
Mifamahofaho tanteraka ny resaka mikasika ny permis sy carte grise biométrique. Taorian’ny filazan’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny atitany fa hosoka izy ireny, nitondra fanazavana ihany koa ny avy eo anivon’ny CETIS androany. Tsy hosoka saingy tsy hita manerantany ny karatra fahazoandalana hamiliy novokariny hoy izy ireo. Mipetraka manoloana izany ny fanontanina : Inona ny marina ?