samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 8 octobre 2018

Fotoam-pivavahana – Gare Soarano : tonga maro ny vahoaka manohana an’ny kandidà Andry RAJOELINA

0
Iray andro mialohan’ny fampielezan-kevitra, nanantanteraka fotoam-pivavahana teny amin’ny Gare Soarano androany ny Mapar sy ireo manohana ny kandidà Andry Rajoelina. Nitondrana am-bavaka ny firenena sy ny fifidianana ho hatrehiny ity fotoam-pivavahana ity. Niantso ny Malagasy rehetra izay nisoratra anarana hanao ny adidiny hifidy ny kandidà laharana faha 13, Andry Rajoelina nandritry ny fandraisam-pitenenany.

Fampielezankevitra : mazava ny voalazan’ny lalàna

0
Fanombohan’ny fampielezankevitra, mampiasa ny tetika rehetra ny HVM amin’ny fampiasana ny fitaovam-panjakana , fa ihany koa ny fanaovana ho fitaovana ireo mpiasampanjakana . Averina aminao ato anatin’ny fanadihadiana ity ny voalazan’ny lalàna mikasika ny pitsopitsony rehetra momban’ny fifidianana. Misy ny sazy mifanaraka amin’izany ho an’ireo rehetra minia mandika ny lalàna.

Fialantsasatra 2018: an-jatony ireo lozam-pifamoivoizana

0
Saika ho isan'andro no ahenoana trangana lozam-pifamoivoizana eto amintsika na an-drenivohitra na eny amin'ny lalam-pirenena. Tranga izay saika nahafatesana olona avokoa.

Lozam-pifamoivoizana : ho hentitra ny fanaraha-maso ny entana

0
Ho hentitra ny faraha-maso ny entana miaraka amin'ireo taxibrousse, miala sy mihazo ny renivohitra hoy ny tomponandraikitra, hisorohana ny loza mety hiseho sy ny famoizana ain'olona. Ny lozam-pifamoivoizana izay nitombo taha tato ho ato noho ny tsy fitandremana.