Archives quotidiennes: 9 octobre 2018

Fanajariana sahandriaka tany Sahanonoka Andekaleka : tontosa tamin’ny Alakamisy faha-4 oktobra

0
Tontosa tany Sahanonoka Kaominina Andekaleka Disitrikan’i Brickaville tamin’ny Alakamisy faha-4 oktobra lasa teo ny fanajariana ny sahandriaka na ny « bassin versant ». Ity sahandriaka ao Sahanonoka ity dia isan’ireo sahandriaka mitoetra ambonin’ny barazin’Andekaleka, izay mamatsy rano ny milina mpamokatra herinaratry ny JIRAMA ao Andekaleka

Dinam-pifanarahana ho an’ireo kandidà ho Filohampirenena : tsy ampy antsasa-manilan’ izy ireo no nanao sonia

0
Tsy ny antsasa-manilan’ireo kandida nilatsaka ho Filohampirenena akory no nanaiky nanao sonia ilay fifanarahana mifehy fitsipim-pitondran-tena mialoha, mandritra ary aorian'ny fifidianana. Omaly 7 oktobra no fepotoana farany napetraky ny CFM hahafahana manao sonia io fifanarahana io.

Zotra Tanà-Mahajanga – fiakaran’ny saran-dalana: milaza ho tsy mahafantatra ny tomponandraikitra

0
Tafakatra hatramin'ny 40 000 Ar ny saran-dalana ho an'ny zotram-pitaterana Antananarivo- Mahajanga amin'izao fotoana izao raha tokony tsy hihoatry ny 30 000 Ar izany araka ny voasoratra ao amin'ny bokinandraikitra na ny cahier de charge eny anivon'ny ATT. Milaza ho tsy mahafantatra ny zava-misy anefa ny tomponandraikitra rehefa nanontaniana.

Antenimierampirenena – fivoriana ara-potoana faharoa : hanomboka ny 16 oktobra izao

0
Tsy tokony ho sakana ho an’ireo solombavambahoaka amin’ny famonjena ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoa ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra ankehitriny raha ny nambaran’ny solombavambahoaka nanaovana fanadihadiana. Ankilany, sakana avy amin’ny governemanta teo aloha raha ny fanazavana azo ny tsy nandinihana sy nandaniana ny lalàna mifehy ny famotsiambola sy ny fananana azo tamin’ny tsy rariny.