vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 10 octobre 2018

Fomba fampiaran’ny CUA lalàna : misy mizana tsindrian’ila ve ?

0
Miteraka ahiahy eo amin'ny mponina eto Antananarivo Renivohitra ny fomba fampiaran'ny eo anivon'ny kaominina Antananarivo renivohitra lalàna. Toy ny tranga eny Ambohijatovo ambony, trano 2 samy eo ambonin'ny Tunnel, ny iray narodana, raha nomena fahazon-dalàna hanorina ny iray.

Milavonjy Philobert : nailiky ny foko RENEVAVEGNE fa nanota fady

0
Nailiky ny foko RENEVAVEGNE avy ao amin’ireo kaomina miisa 8 ao anatin’ny distrikan’Ambovombe Androy tsy ho hisan’ny fiaraha-monina intsony ny solombavambahoaka HVM, MILAVONJY Philobert noho ny fanotana fady nataony araka ny fanambarana goavana nataon’ny mpisorombe any an-toerana. Nisy ny famonoana omby niisa 7, hanadiovana ny foko izay voaota fady raha ny loharanom-baovao azo.

Orinasa afaka haba etsy Ivato : voahitsakitsaka ny zon’ny mpiasa 552

0
Mpiasa 552 ao amin’ny orinasa afaka haba iray etsy Mandrosoa Ivato no mitaraina vokatry ny tsy fanajana ny zo fototry ny mpiasa. Santionany ny fanapahana karama, ny tsy fanajana ny mari-karama farany ambany, ny fiantohana ny aina sy ny fiahiana ara-tsosialy. Tokony hampiharina ny lalàna sy ny sazy mifanaraka amin’izany hoy ny teo anivon’ny OIT.

ACM : mbola nila vaniny tamin’ny famoahana ireo angidimby

0
Na nisy aza ny famoahan’ny primatiora requisition milaza ny tokony hamoahana ireo angidimby miisa valo ny faran’ny herinandro teo, nilaza indray ny tale jeneralin’ny ACM fa mbola handrasana ny famenoana ireo antotan-taratasy avy amin’ilay kaompania an’habakabaka sky service vao hivoaka ny fahazoan-dalana hisidinan’ireo angidimby ireo eto Madagasikara.