vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 16 octobre 2018

Fivoriana ara-potoana faharoa – Antenimierampirenena: hanomboka anio

0
Ny filoha lefitra avy any Fianarantsoa no hitana vonjimaika ny toeran'ny filohan'ny antenimierampirenena ka hitarika ny fivoriana ara-potoana faharoa eny anivon'ny antenimierampirenena anio. Ankoatra ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana. Isan'ireo miteraka resabe ny mety handalovan'ny lalàna mamela ny fiarahan'ny olona mitovy fananahana eto Madagasikara eny Tsimbazaza.

Fampielezan-kevitra : mampitandrina ny CENI amin’ny fihoaram-pefy ?

0
Roa andro no nomen’ny CENI ireo kandidà Filohampirenena hiverenan’izy ireo amin’ny fanajàna ny lalàna velona eto amin’ny firenena manoloana ny tsy fanajàna izany lalàna velona izany ataon’ireo kandidà sy ny mpomba azy.

Sandan’ny EURO iray : niakatra ho 4 079 Ariary

0
Tsy nitsaha- mikatra ny sandan'ny vola Euro tato ho ato, tao anatin'ity volana Oktobra ity nahitam-piakarana hatramin'ny 91 Ar izany. Fiakarana izay midika ho fihenan'ny sandam-bola Ariary hatrany ary misy fiantraikany lehibe amin'ny toe-karena Malagasy, hoy ny mpahay toe-karena.

Karandalina nivadika indray : olona 13 namoy ny ainy, 25 hafa naratra mafy

0
Olona 13 no namoy ny ainy ary 25 hafa no naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana tao Farantsa 20 Km miala an'i Taolagnaro amin’iny lalàmpirenena faha-13 iny. Efa nisy ny fepetra noraisina amin'ny fitsirihana ny fiara sy ny entana ho entina raha ny fanazavana. Na izany aza, ilaina hatrany ny mitandrina indrindra ho an’ireo mpamily.