Archives quotidiennes: 18 octobre 2018

Sampandraharahan’ny fananan-tany sy fandrefesan-tany : manjaka ny kolikoly

0
Mitana ny laharana voalohany amin’ny kolikoly ny sampandraharahan’ny fananan-tany eto Madagasikara araka ny fanadihadian’ny BIANCO sy ny Transparency International. Endrika kolikoly mateti-pitranga ny famoahana antontan-taratasy momba ny boky rovitra sy ny maro hafa raha ny fanazavana hatrany.

« Le DEBAT des CANDIDATS à la présidentielle 2018 » : samy niezaka niaro ny vinany

0
Tontosa androany tetsy amin’ny Carlton Anosy ny ady hevitra ho an’ireo kandidà hilatsa-kofidiana amin’ny fifidianana ho filohampirenena na ny « Le débat des candidats à la présidentielle 2018 ». Adihevitra nisokatra ho an’ny kandidà tsy ankanavaka nampahafantarina ny vina sy ny tetikasa hampandrosony ny firenena.

Barea de Madagascar : nisy andian’olona nitoraka ny fiara nitondra azy ireo omaly alina

0
Tontolon'ny baolina kitra indray kosa. Nisy andian'olona nanakana sy nitoraka ny fiara nitondra ny ekipan’ny Barea de Madagascar rehefa nody tokony tamin’ny 8ora alina. Korontana nateraky ny fahatapahan-jiro no niteraka io fitorahana io raha ny nambaran’ny teo anivon'ny Fédération Malagasin'ny Baolina.

Fitrandrahana volamena ataon’ny orinasa M.L.S.G : ahiana ny fisian’ny kolikoly, hoy ny CRAAD-OI

0
Misy ahiahina kolikoly ny fitrandrahana volamena ataon'ny orianasa vahiny Mac Lai Sim Gianna any amin'ny kaominina Vohilava, distrikan'ny Mananjary hoy ny fiarahamonim-pirenena Craad-OI. Ho ringana ny volamena ao amin'ity distrika ity raha ny zava-misy ankehitriny no tsy misy fandraisan'andraikitra hoy izy ireo.