vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 23 octobre 2018

E.D. Andriamalala : 100 taona androany

0
Tsaroana manokana amin'ity omaly ny faha -100 taona nahaterahan'i ED Andriamalala, mpanoratra Malagasy manana ny nampiavaka azy manokana. Nisy ny fanamarihana manokana ity daty ity izay mifanindry andalana amin'ny herinandron'ny Havatsa UPEM na fikambanan'ny mpanoratra sy poeta Malagasy.

Sehapihariana lavanila – DIANA : lasibatry ny halatra ny antsasa-manilan’ny vokatra

0
Nihena avo sasaka ny vokatra lavanila tao amin’ny distrikan’AMBANJA, Nosy be sy Ambilobe ao amin’ny faritra DIANA tamin’ity taom-piotazana ity. Ny fiotazana sy ny halatra lavanila alohan’ny fotoana no antony raha ny fanazavana. Miantso ny tomponandraiki-panjakana isantokony hijery akaiky izany ny mpandraharaha.

RAVALOMANANA Marc : vonona tokoa hiatrika fifidianana ve ?

0
15 andro tsy hifaranan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Filohampirenena fihodinana voalohany, izay vao nampahafantatra ireo ekipa hitarika ny fampielezan-keviny ny Filoha teo aloha RAVALOMANANA Marc. Midika inona izany hoy ny mpanara-baovao ? Mivonona marina amin’ny fiatrehana fifidianana ve ny tenany ?

Zotra D : ny Alatsinainy 29 Oktobra no hihatra ny fampiakarana saran-dalana

0
Ny alatsinainy faha 29 ny volana Oktobra ho avy izao no hihatra ny fampiakarana saran-dalana ao amin'ny Zotra D mampitohy an'i Ivato sy Antananarivo ary Antananarivo sy Alakamisy Ambohidratrimo. Manova zavatra eo amin'ny fitantanana ao an-tokatrano izany hoy ireo ray aman-dreny ary tokony hisy fitsinjovana ny vahoaka madinika.