mercredi 24 avril 2024

Archives quotidiennes: 25 octobre 2018

Arboretum – Ambatobe : misy ny didim-panjakana nivoaka izay mandrava ny didy teo aloha

0
Noravain’ny minisitry ny fanajariana ny tany ankehitriny tamin’ny alalan’ny famoahana didim-panjakana ny fiandoahan’ny volana aogositra teo, ny didy efa nivoaka mikasika ny fandraràna ny fananganana fotodrafitrasa etsy amin’ny Arboretum Ambatobe. Ankehitriny mitohy ny asa eny amin’iny toerana misy ny hazo sarobidy sy tokony arovana iny. Fananganana fotodrafitrasa izay lavin’ny mponina eny an-toerana. Fanadihadiana

DFP : hametraka fitoriana amin’ny mpiasam-panjakana tratra nanao fampielezan-kevitra

0
Amin'izao fotoanan'ny fampielezankevitra izao. Isan'ireo manara-maso akaiky ny mpiasam-panjakana ny eo anivon'ny DFP. Izy ireo izay hametraka fitoriana hoan'ny mpiasam-panjakana izay tratra tamin'ny fampielezankevitra.

Hosoka eo anivon’ny fadintseranana : an-tapitrisany maro ny fatiantoka

0
Fanambarana sy fampiasana antontan-taratasy hosoka ny 50 % maherin’ny tsy fanarahan-dalàna sy halatra tra-tehaka eny anivon’ny fadintseranana isan-taona raha ny tatitra navoakan’ny lehiben’ny sampandraharaha misaha ny lalàna androany. Mitentina 18 Tapitrisa ny hetra tokony nampidirin’izany amin’ny kitapombolam-panjakana ny taona 2017 raha ny fanazavana.

Zone de recasement : tandindomin-doza ny mponina eny an-toerana.

0
Tandindomin-doza ireo mponina eny Ankorondrano sy ny ao amin'ny fokontany Ambohibary Antanimena noho ny fanotofana tsy ara-dalàna. Tsy maintsy ho traboina izahay rehefa avy ny rotsak'orana hoy ireo mponina mitaraina. Ny eo anivon'ny kaominina sy ny Apipa tsy mbola nisy nidina teny an-toerana na dia efa nanaterana fitarainana aza.