vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 30 octobre 2018

Mpiandraiki-draharahan’ny Masoivoho Amerikana Stuart Wilson : mivaona amin’ny lalàmpanorenana ny fanokafana indray ny lisi-pifidianana

0
Namoaka fanambarana momba ny fizotran’ny raharaham-pifidianana eto Madagasikara ny masoivoho Amerikana, yamin’ny alalàn’ny mpiraiki-draharahan’ny Stuart Wilson androany taorian’ny fihaonan’ity mpiraki-draharaha Amerikana ity tamin’ny Filoha mpisolo-toerana RAKOTOVAO Rivo.

Maridrefin’ny hanoanana : laharana faha 116 amin’ny firenena 119 i Madagasikara

0
Faha3 mialohan’ny farany ny toeran’i Madagasikara amin’ny maridrefin’ny hanoanana izay navokoan’ny GHI na ny Global hunger index ny faran’ny herinandro teo. Tamin’ny firenena 119 nanaovana fanadihadiana, eo amin’ny laharana faha 116 no misy antsika araka io tatitra io.

Fifidianana filohampirenena : dodona ny olompirenena

0
Herinandro mialoha ny fifidianana. Dodona amin’ny fandraisana ny kara-pifidianana eny anivon’ny fokotany ireo olompirenena na misy aza ireo komity eny anivon’ny fokontany manatanteraka ny fizarana isan-tokantrano. Misy lanjany ny vato iray arotsaka amin’ny fifidianana hoy ireo olompirenena sendra ny mpanao gazety androany. Efa misy ihany koa ankilany ny fepetra noraisain’ny eo anivon’ny CENI manoloana ny fanana kara-pifidianana 2 na mihoatra.

Fanorenana – Ambohijatovo ambony : mampiasa fahazoan-dalana hosoka

0
Ahian’ny mpanara baovao ho mpiray tsikombakomba amin’ny famoahana taratasy fahazoan-dalàna hanorina ny kaominina Antananarivo renivohitra. Tsy nisy ny fepetra noraisin’ny kaominina manoloana ny fampandrenesana maro momba ny fanorenanana tsy ara-dalàna. Tsikaritry ny mpanao gazetin’ny kolo tv androany ny fampiasana fahaozan-dalàna hosoka etsy Ambohjatovo Ambony.