vendredi 26 avril 2024
Accueil 2018 octobre

Archives mensuelles: octobre 2018

Praiminisitra NTSAY Christian : laharam-pahamehana ny famerenana ny fahefam-panjakana hiadiana amin’ny fitsaram-bahoaka

0
Natao ary hatao laharam-pahamehana ny famerenana ny fahefam-panjakana amin'ny toerana tokony hisy azy hoy ny praiminisitra NTSAY Christian. Izay no paik'ady hotanterahina anatin'ny fotoana foy hiadiana amin'ny fitsaram-bahoaka

Toliara : sokatra miisa 7 347 hafa indray no tratehaka

0
Lafim-baovao hafa tanteraka kosa indray, sokatra miisa 7 347 indray no tratehaka tany Ihotry kaominina Tongobory omaly. Notanterahina omaly ankilany ny fitsarana ireo olona 3 voarohirohy tamin’ny raharaha fahatratrarana sokatra maherin’ny 10.190 isa tany Betsinjaka, Toliara II ny 9 aprily lasa teo. Sazy mihatra 6 taona antranomaizina sy lamandy zato tapitrisa ariary no azon’izy ireo .

Arboretum – Ambatobe : misy ny didim-panjakana nivoaka izay mandrava ny didy teo aloha

0
Noravain’ny minisitry ny fanajariana ny tany ankehitriny tamin’ny alalan’ny famoahana didim-panjakana ny fiandoahan’ny volana aogositra teo, ny didy efa nivoaka mikasika ny fandraràna ny fananganana fotodrafitrasa etsy amin’ny Arboretum Ambatobe. Ankehitriny mitohy ny asa eny amin’iny toerana misy ny hazo sarobidy sy tokony arovana iny. Fananganana fotodrafitrasa izay lavin’ny mponina eny an-toerana. Fanadihadiana

DFP : hametraka fitoriana amin’ny mpiasam-panjakana tratra nanao fampielezan-kevitra

0
Amin'izao fotoanan'ny fampielezankevitra izao. Isan'ireo manara-maso akaiky ny mpiasam-panjakana ny eo anivon'ny DFP. Izy ireo izay hametraka fitoriana hoan'ny mpiasam-panjakana izay tratra tamin'ny fampielezankevitra.

Hosoka eo anivon’ny fadintseranana : an-tapitrisany maro ny fatiantoka

0
Fanambarana sy fampiasana antontan-taratasy hosoka ny 50 % maherin’ny tsy fanarahan-dalàna sy halatra tra-tehaka eny anivon’ny fadintseranana isan-taona raha ny tatitra navoakan’ny lehiben’ny sampandraharaha misaha ny lalàna androany. Mitentina 18 Tapitrisa ny hetra tokony nampidirin’izany amin’ny kitapombolam-panjakana ny taona 2017 raha ny fanazavana.

Zone de recasement : tandindomin-doza ny mponina eny an-toerana.

0
Tandindomin-doza ireo mponina eny Ankorondrano sy ny ao amin'ny fokontany Ambohibary Antanimena noho ny fanotofana tsy ara-dalàna. Tsy maintsy ho traboina izahay rehefa avy ny rotsak'orana hoy ireo mponina mitaraina. Ny eo anivon'ny kaominina sy ny Apipa tsy mbola nisy nidina teny an-toerana na dia efa nanaterana fitarainana aza.

CENI INTERVIEW EXCLUSIVE

0
Mbola mitana ny sain’ny maro sy miteraka resabe hatramin’izao ilay fihaonana narahina ady hevitra nifanaovan’ny CENI sy ireo kandidà miisa 26 nalefa mivantana tamin’ny TVM sy RNM tamin’ny Zoma takariva lasa teo. Isan’ireo mpiray tsikombakomba amin’ny hanemorana na hanafoanana ny fifidianana ve ny CENI ? MAmaly izany manokana eto amin’ny fampahalalam-baovaon’ny KOLO TV/FM ny Filoha lefitry ny CENI, RAKOTONARIVO Thierry

Fanorenana tsy ara-dalàna Mahitsy

0
Mirongatra ary miha mahazo vahana ny fanorenana tsy ara-dalàna ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Mahitsy amin'izao fotoana. Ankoatry ny ao amin'ny toerana fanaovam-baolina, misy manorina ihany koa ny tanin'ny EPP eny an-toerana. Velon-taraina manoloana izany ireo ray amandrenin'ny mpianatra sy ireo mponina.  

Suivi construction illicite

0
Ahian’ny mponina ho hisy ambadika kolikoly ny famoahana taratasy fahazoan-dalàna hanorina avy amin’ny kaomina Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana. Tsy manaraka ny drafi-panajariana intsony ny famoahana ny taratasy fahazoan-dalana raha ny fanazavana. Isany naha be resaka ny etsy  Ambohijatovo Ambony.

Vola sandoka

0
Vola sandoka mitentina 6 Milliard Fmg na 1 lavitrisa sy 200 tapitrisa Ariary no saron’ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena ny faran’ny herinandro. Olona miisa 13 no tra-tehaka tamin’izany niaraka tamin’ireo fitaovana fanotana vola hosoka hoy ny seraseran’ny