Accueil 2018 octobre

Archives mensuelles: octobre 2018

E.D. Andriamalala : 100 taona androany

0
Tsaroana manokana amin'ity omaly ny faha -100 taona nahaterahan'i ED Andriamalala, mpanoratra Malagasy manana ny nampiavaka azy manokana. Nisy ny fanamarihana manokana ity daty ity izay mifanindry andalana amin'ny herinandron'ny Havatsa UPEM na fikambanan'ny mpanoratra sy poeta Malagasy.

Sehapihariana lavanila – DIANA : lasibatry ny halatra ny antsasa-manilan’ny vokatra

0
Nihena avo sasaka ny vokatra lavanila tao amin’ny distrikan’AMBANJA, Nosy be sy Ambilobe ao amin’ny faritra DIANA tamin’ity taom-piotazana ity. Ny fiotazana sy ny halatra lavanila alohan’ny fotoana no antony raha ny fanazavana. Miantso ny tomponandraiki-panjakana isantokony hijery akaiky izany ny mpandraharaha.

RAVALOMANANA Marc : vonona tokoa hiatrika fifidianana ve ?

0
15 andro tsy hifaranan’ny fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana Filohampirenena fihodinana voalohany, izay vao nampahafantatra ireo ekipa hitarika ny fampielezan-keviny ny Filoha teo aloha RAVALOMANANA Marc. Midika inona izany hoy ny mpanara-baovao ? Mivonona marina amin’ny fiatrehana fifidianana ve ny tenany ?

Zotra D : ny Alatsinainy 29 Oktobra no hihatra ny fampiakarana saran-dalana

0
Ny alatsinainy faha 29 ny volana Oktobra ho avy izao no hihatra ny fampiakarana saran-dalana ao amin'ny Zotra D mampitohy an'i Ivato sy Antananarivo ary Antananarivo sy Alakamisy Ambohidratrimo. Manova zavatra eo amin'ny fitantanana ao an-tokatrano izany hoy ireo ray aman-dreny ary tokony hisy fitsinjovana ny vahoaka madinika.

FJKM – Madagasikara : nifarana omaly ny fankalazana ny jobily faha 50 taona

0
Nifarana omaly ny fankalazana jobily faha 50 taonan’ny FJKM eto Madagasikara sy ny faha 200 taona nidiran’ny LMS teto Madagasikara. Naneho hevitra mikasika ny fiainam-pirenena sy ny olona hitondra ny firenena manaraka eo nandritra io, ny filohan’ny FJKM mpitandrina Andriamahazosoa Iraka Ammi.

Andry RAJOELINA : mitohy ny fampielezankevitra eto antananarivo sy ny manodidina

0
Famaranana ny herinadro faharoan’ny fampielezankevitra, miazakazaka fanatanterahana ny fampielezankevitra ho an’ny Kandidà Laharana faha 13 Andry RAJOELINA eto Antananarivo sy ny manodidina. Samy miezaky ny manetsika sy mifanome-tanana hampadany ny kandida laharana faha 13 Andry RAJOELINA avokoa ny antoko sy fikambanana samihafa.

Alakamisy Fenoarivo : mangalatra tany ireo mahita lalana ambanin’ny tany

0
Mangalatra tany ireo mahita lalana ambanin'ny tany hoy ny ben'ny tanàna eny amin'ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo. Ireo milaza ho tompon'ny tany kosa etsy andaniny manamafy fa izy ireo no manana ny taratasy ara-dalàna izy ireo mitaky ny tany sy hampiasa izany.

Fifidianana ho filohampirenena : feno ny fepetra hanatanterahana izany, hoy ny CENI

0
Mizotra araka ny tokony ho izy ny fiomanana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ity taona 2018 ity hoy ny teo anivon’ny CENI na ny vaomieram-pirenana misahana ny fifidianana. Efa mandray ny fepetra mifanaraka amin’ireo tsy fahatomombanana samihafa toy « doublant » sy ny tsy eo anivon’ny lisipifidianana ny eo anivon’ny ceni raha ny fanazavana. Manamarin’izay fankatoavana ny fifidianana ho avy izao izay ihany koa ny fanampiana samihafa avy amin’ny mpiara miombon’antoka samihafa.

Fanaingoana fiara : asa mila fiangaliana

0
Tahaka ny mahazatra anatin’ny fampahalalambaovao, asa miavaka indray no entina aminao androany. Ny karazam-panaingoana fiara, asa iray ataon'i Rita sy Justin tao anatin'ny taona maro. Izay indray no asa miavaka entina aminao amin'ity androany ity.

Mitohy ny fanotofana ny zone de recasement : nanao fihetsiketsehana ireo mponin’Ankorondrano

0
Niverina nidina ifotony, nanatanteraka fietsiketsehana ireo mponina tao amin’ny fokontany Ambohibary Antanimena, omaly alina manoloana ny fitohizan’ny fanotofana tsy ara-dalàna ny zone de recasement ao Ankorondrano. Takiana manoloana it tranga ity ny fandraisana andraikitry ny kominina sy ny ministeran’ny fanajariana ny tany.