Accueil 2018 novembre

Archives mensuelles: novembre 2018

Tsara ho fantatra

0
Manoloana izay firosoana amin’ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filohampirenena izay. Tsy misy miova ny fepetra rehetra amin’ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra. Ny 04 desambra no hiatrika ny fampielezankevitra Tsy hisy finatraikany amin’ity fifidianana ity ny fisokafan’ny RALE na fanavaozana isan-taona ny lisipifidianana. Ireo tsara ho fantatra rehetra taterina aminao anatin’ity fanadihadiana ity.

Reaction CENI

0
Naneho ny fahavononany amin’ny fiatrehana ny fihodinana faharoa amin’ny fifidianana Filohampirenena avokoa na ny kandidà 2 mpifanandrina na ny mpisehatra amin’ny fikirakirana sy ny fanarahamaso ny fifidianana rehetra taorian’ny namoahan’ny HCC ny vokatra ofisialy androany. Nanamafy ny teo anivon’ny HCC sy ny teo anivon’ny CENI manoloana izay, ny amin’ny hanarenana ireo lesoka tsikaritra nandritra iny fiodinana voalohany iny.

Jiolahy tratra HCC

0
Lehilahy iray nikasa hanapoaka « Cocktail Molotov » teny amin'ny HCC Ambohidahy no saron'ny mpitandro ny filaminana ny alin'ny Talata faha 27 novambra hifoha ny Alarobia. Mbola tsy fantatra hatreto ny fiaviany sy ny mombamoba ary ireo naniraka azy. Nilaza kosa ny teo anivon'ny mpitandro filaminana fa mbola eo am-panaovana famotorana izy ireo.

Factuel HCC

0
Araky ny efa nandrasan’ny rehetra, androany no nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny vokatry ny fifidianana filohampirenena fiodinana voalohany ny avy eo anivon’ny fitsarana avo momban’ny lalam-panorenana. Fantatra arak’izany, fa hiroso amin’ny fiodinana faharoa ny kandidà laharana faha 13 sy faha 25  . Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana .

Vente en ligne

0
Sarotra ny fanavahana ny mpisehatra manara-dalàna sy tsy manara-dalàna mivarotra amin’ny tambazotran-tserasera toy ny facebook eto amintsika. Misy ankilany ny teknika ilaina fehezina amin’ny fanaovana izany raha ny nambaran’ny mpisehatra hisintonana olona bebe kokoa ary hisorohana ny hosoka sy fisolokiana.

Cafe

0
Nahitana fiakarana manodidina ny 50% isaky ny kapoaka ny vidin’ny café eny amin’ny mpaninjara ankehitriny. Ny tsy fahampian’ny vokatra no voalaza ho isany anton’io. Ny vokatra café eto Madagasikara izay tsy nitsaha-nidina tato anatin’ny taona maro .

Suivi Ambohibary

0
Tsy ara-dalàna ny fanorenana atao amin'ny manamorona ny lakan-dranon'Andriantany, eo ambohibary Antanimena hoy ny Apipa sy ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Miantso ny fandraisan'andraikitra aingana ny vahoaka eny amin'ny manodidina ity fotodrafitr'asa ity.

Sambo Flying

0
Raha toa ka nisintaka nanalavitra ny morontsirak'i Madagasikara ilay sambo Flying nanomboka ny faha 23 ny volana Novambra lasa teo, niverina nanantona indray izy nanomboka omaly sy andraony. Io sambo FLYING, Pavillon PANAMA io izay mikasa haka sy hampiakatra bolabolana Andramena an-tsokosoko avy eto Madagasikara.

Fromage

0
Mandalo krizy ny ronono eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Mitaraina ireo mpivarotra sy mpanodina ny vokatra avy amin’ny ronono nohon’ny fiakaran’ny vidiny io tato anatin’ny volana maro. Ny tsy fahampian’ny tolotra ato amin’ny tsena anatiny no anton’io rah any fanazavana.

ANR

0
Fokontany maro teto an-drenivohitra indray no notsidihin'i Andry Rajoelina tamin'ity androany ity. Fijerena ny olana iainan'ny vahoaka amin'ny andavanandro sy fitondrana vahaolana haingana no nataony nandritra izao fidinana ifotony izao.