vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 7 novembre 2018

Fifidianana : ho entitra ny fanarahamaso ny vokatra hoy ny CENI

0
Ho hentitra ny fikirakirana ny voka-pifidianana hoy ny teo anivon’ny CENI. Tanjona nyh ahazoana voka-pifidianana marina sy ho eken’ny rehetra raha ny fanazavana.

Andro 1 mialohan’ny fifidianana : mitohy hatrany ny filaharana haka ny kara-pifidianana

0
1 andro mialohan'ny fifidianana, mitohy hatrany ny filaharana haka ny kara-pifidianana eny anivon'ny fokontany. Tsy maintsy nisokatra tamin'ny 5 ora maraina ny fokontany sasany ary tsy mikatona raha tsy amin'ny 8 na amin'ny 9 ora alina. Na eo aza anefa izany rehetra izany, vonona hiatrika fifidianana ny vahoaka Malagasy.

Sambo mihaodihaody any Mananara Avaratra : tsy mbola misy fandraisana andraikitra

0
Nilaza ny handray fepetra ny fiadidiana ny primatiora manoloana ny fisiana sambo mihaodihaody efa ho andro maromaro izao any amin’ny sisi-dranomasin’i Mananara Avaratra Faritra Analanjirofo.  Andrasana kosa ny fandraisana andraikitr'ireo tomponandraikitra isan-tokony: OMC, faritra, distrika, ny Bianco ao Analanjirofo.

6 novambra 1995 – 6 novambra 2018 : 23 taona katroka androany ny nandorana ny Rova

0
Feno 23 taona androany ny daty nandorana ny Rova. Mbola manjavozavo tanteraka hatramin’izao ny tohin’ny fanadihadiana sy ny tomponan’antoka tamin’io fandorana io araka ny nambaran’ny mpikaroka ara-tantara nandritry ny fampiratiana teny amin’ny IKM androany.