Archives quotidiennes: 12 novembre 2018

Andranotapahana : mitohy ny hetsika fanoherana ataon’ireo mponina

0
Nanatanteraka fihetsiketsehana fanoherana nyfandravana sy ny famotehana ny fananany ny vahoakan’Andranotapahana ny sy manodidina, manoloana ny fanamboarana ny lalana miainga avy eny amin'ny sampanana Ambohitrimanjaka mihazo an'Ivato Aéroport.

Fikambanana Tous Ensemble pour Madagascar : miantso ny vahoaka Malagasy ho tony

0
Vonona hanampy amin'ny fanatontosana ny IEM, an'i kandidà Andry Rajoelina ny diaspora Malagasy mivondrona anatin'ny fikambanana Tous Ensemble pour Madagascar. Miantso ny vahoaka Malagasy ho tony eo am-piandrasana ny vokam-pifidianana vonjimaika avy amin'ny CENI ihany koa ny TEM.

EDITO du 10 novembre

0
Vita iny ny fifidianana filohampirena fihodinana voalohany. Fifidianana filohampirenena faharoan’ny Repoblika faha-efatra. Nisy ireo lesoka tena madilana ho tentenina tamin’ny lisi-pifidianana sy ny kara-pifidiana. Na izany aza tsy dia hisy vokany ratsy ho an’ilay fandrotsaham-bato ireo lesoka ireo, hoy ny mpanara-maso iraisam-pirenena. Mitarazoka tsy araka ny nampitaovana azy ireo fitaovana hiaka farany sy ireo volabe tamin’ny sobika ny voka-pifidianana atolotry ny CENI etsy Alarobia.

Antananarivo : tsy misy fandraisana andraikitra manoloana ny fiparitahan’ny fako

0
Tsy mandray andraikitra ireo misahana ny fanadiovana eto andrenivohitra hoy ny ankamaroan’ny mponina manoloana ny fivangonan’ny fako etsy sy eroa. Ny tsy fahampian’ny fiara be fitaterana fako no miteraka io olana io hoy ny teo anivon’ny RF2.