Archives quotidiennes: 15 novembre 2018

Ady atao amin’ny doro-tanety : mila ampiarina ny lalàna

0
Voka-panadihadiana hafa indray niarahan'ny kolo tv fm sy ny agence capsule no taterina aminao anatin'ity fanadihadiana ity. Inona ny mety mahatonga ny fahabetsahan'ny doro-tanety hatrany na dia efa loza mihatra amin'ny firenena aza ny fiakaran'ny hafanana sy ny fiovaovan'ny toetry ny andro. Ny hevitry ny olontsotra sy ny mpiaro ny tontolo iainana no entina aminao ato anatin'ity fanadihadiana ity.

HVM : nizara vola nitarika olona hanohatra voka-pifidianana

0
Nitaona olona teny amin'ny gymnase couvert an' Ankorondrano ny ekipan'i HVM omaly maraina hanohatra ny vokatry ny fifidianana Filohampirenena notontosaina farany teo iny. Notambazana 5.000 Ar ireo olona notaomina teny an-toerana ireo niainga avy eny anivon'ny fokontany.

Fifidianana filohampirenena 2018: betsaka ny fiofoana loko politika

0
Isan’ny nisongadina tamin’ity fifidianana filohampirenena taona 2018 ity ny fiovana fironana na fiofoana loko politika. Maro tamin’ireo no niara-dia tamin’ny fitondrana sy antoko HVM. Niova nanaraka ny Mapar noho ny fahitana mialoha fa isan’ny ho favori ny kandida Andry Rajoelina. Ny antsipirihin’izay arahinao anatin’ity fanadihadina ity.

IST – Mbola RAJAONAH : fanondranana Andramena sy fanaparam-pahefana no antony

0
Torian’ny namoahan’ny fanjakana IST na Interdiction de sortie du territoire an’i Mbola RAJAONAH na i Mbola Tafaray omaly dia fantatra ankehitriny fa resaka fanondranana an-tsokosoko Andramena sy fanamparam-pahefana amin’ny famoahana entana tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina no hanenjehana ity mpanolotsain’ny Filoha teo aloha RAJAONARIMAMPIANINA Hery mivady ity.