vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 19 novembre 2018

Ankitsimpo

0
Nivahiny tao amin’ny fandaharana ankitsimpo ny zoma teo teto am kolo tv ny filoha lefitry ny ceni rakotonarivo thierry sy ny mpitarika ny vovonana jery lavitra ho an i madagasikara Rasaony pascal. Nitondrana adihevitra tao anatin’ ny fandaharana ny resabe manoloana ny vokapifidianana, Izay navoakan ny ceni omaly. Mampametra-panontaniana ny mpisehatra ihany koa ny fampiasambolan'ny eo anivon'ny ceni izay voaresaka ny zoma teo. Araho ny fanehoankevitr'ireo vahiny.  

Edito du 17 novembre 2018

0
Tontosa iny ny andraikitry ny CENI. Natolony androany ilay voka-pifidianana Filohampirenena naha be resaka tao anatin’ny andro vitsivitsy. Nandeha am-pamarinana sy nagarahara tokoa ve ny fikarikarina ireo vokatra? Raha izay tokoa no izy, tsy tokony hisy ny fambolena korontana mety hiteraka krizy vaovao hampikizo fara indray ny firenena. Dingana iray ihany izay no tontosa fa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no tompon-teny farany, ary hamoaka ny vokatra ofisialy fara-fahatarany afaka 9 andro.

Fanakorontanana : nampitandrina ny fianakaviamben’ny mpitandro ny filaminana 

0
Mbola mitohy ny fanakorontanana sy ny tetika maloto ataon’ireo kandidà tsy manaiky mazava ny safidim-bahoaka nandritra ny fifidianana. Nisy tamin’ny farany herinandro iny ny fitokonana nataon’ny mpomba azy ireo manoloana ny foiben-toeran’ny CENI Alarobia. Namafisin’ny fianakaviamben’ny mpitandro ny filaminana ankilany, fa tsy azo handeferina intsony ny fanakorontanana samihafa.

Resultat Ceni

0
Mikasika ny voka-pifidianana navoakan’ny CENI omaly. Ny kandidà Andry Rajoelina no eo amin’ny laharana voalohany tamin’iny fiodinana voalohany iny, manaraka azy i Marc RAVALOMANANA ary eo amin’ny laharana fahatelo ny kandidà Hery Rajaonarimampianina.

Sambo mihaodihaody any Avaratra Atsinanana : mampiahiahy ny maro

0
Ahiana ny hiverenan'ilay sambo Flying Pavillon Panama hitatitra an-tsokosoko bolabolan’Andramena any amin'ny faritra Analanjirofo iny, raha ny fanazavana azo avy tamina fiarahamonim-pirenena any an-toerana. Sambo izay voalaza hatrany fa efa nitatitra an-tsokosoko bolabolan’Andramena nandritra ny andron’ny fifidianana lasa teo iny. Any amin'ny 50 km miala ny Sainte Marie no misy ity sambo ity omaly.

Miss jeunesse Madagascar: tontosa ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa

0
Tontosa teny amin’ny Cnam 67 Ha ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa teo amin’ny Kolo Tv/fm sy ny Cnam Madagascar ary ny Miss jeunesse Madagascar. Ny fitovian’ny fomba fijerin’ny telo tonta, ny faharesen-dahatra ary ny fanabeazana sy ny fampivoarana ny tanora no isan’ny fanoitra amin’ny fampandrosoana no anton’izao fiaraha-miasa izao.