vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 23 novembre 2018

Logiciel nampiasaina tamin’ny fifidianana : tsy nahazo fankatoavana avy amin’ny PNUD?

0
Nambaran'ny solontena maharitry ny PNUD eto Madagasikara, KAKYOMYA Violette fa tsy nanome fankatoavana ilay logiciel nampiasain'ny Ceni ny PNUD. Voafetra amin'ny fanampiana ara-teknika sy ara-bola ihany ny andraikitr'izy ireo.

Trano fonenan’i Mbola RAJAONAH : nosavain’ny BIANCO androany

0
Taorian'ny fanadihadiana nataon'ny Bianco an'i Mbola Rajaonah ny Alatsinainy faha-19 novambra sy ny Talata faha-20 novambra lasa teo dia nosavaina ny tranony omlay. Tsy nisy nipiaka ny resaka hatreto ary tsy nanome fanazavana ny avy amin'ny Bianco.

Fanorenana tsy ara-dalàna : manjaka eto Antananarivo Renivohitra

0
Manjaka eto Antananarivo renivohitra ny fanorenana tsy ara-dalàna. Miorina eraky ny trottoir ny toerana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ny trano isan-karazany. Raha ny fanadihadiana natao, ny kaominina Antananarivo renivohitra no manome alalana an’ireo fanorenana tsy ara-dalàna ireo.

Faritra Androy : tsy nisy nifidy ny HVM raha tsy nisy ny fanerena sy ny fanambazana vola

0
Tsy nisy nifidy ary tsy nahazo ny salan'isa 8 % ny HVM tao Ambovombe Androy raha tsy nisy ny fanerena sy ny fanambazana vola nataon'ny Solombavambahoaka Milavonjy Philobert tany an-toerana. Ireto farany izay nanantena fa hahazo salan'isa ambony ny HVM amin'ny maha teo amin'ny fitondrana azy.