vendredi 26 avril 2024
Accueil 2018 novembre

Archives mensuelles: novembre 2018

Concours ENMG : nofoanana tanteraka hoy ny minisitry ny Fitsarana

0
Nofoanana tanteraka ny fifaninanana hiditra ho mpitsara sy mpirakidraharaha farany teo hoy ny minisitry ny fitsarana nandritra ny fihaonany tamin'ny mpanao gazety. Efa vita ny fanadihadiana teo anivon'ny ministera, ary miandry ny any amin'ny Bianco sy ny PAC na ny Pole Anti-Corruption. Voaporofo fa nisy ny kolikoly sy ny tsy fetezana teo amin'ny fikarakarana ny fifaninanana.

Vahoakan’Ankadinandriana : resy lahatra amin’ny kandida laharana faha-13, Andry RAJOELINA

0
Resy lahatra ny vahoaka ao amin'ny kaominina Ankadinandriana fa hifidy ny kandida laharana faha-13. Ny fahatanorany, ny fahamatorany, ny efa zava-bitan'i Andry RAJOELINA teto amin'ny firenena, ireo no antony mahatonga ny vahoakan'Ankadinandriana hisafidy ny kandida laharana faha-13 amin'ny 7 novambra izao.

1 Novambra : fetin’ny Olo-masina rehetra

0
Fetin'ny olomasina rehetra ny voalohan'ny volana novambra izay afangaron'ny ankamaroan'ny olona amin'ny fetin'ny maty. Andro tsy fiasana nefa andraisan-karama ary andro voadidy hohamasinina ho an'ny krisitianina Katolika. Araka izany, nisy ny lamesa fankalazana izany tamin'ireo fiangonana katolika manerana izao tontolo izao.

1 Novambra : ireo voninkazo natoraly no be mpividy

0
Ireo voninkazo natoraly no be mpividy eny amin'ny mpivarotra amin'izao voalohan'ny volana Novambra izao. Antony, tsy mijanona 24 ora eny am-pasana akory ireo voninkazo artifisialy dia misy maka ary misy mivarotra eny an-tsena indray. Efa nisy ny fepetra noraisina manoloana izany hoy ireo mpiandry fasana eny Anjanahary.

ERNAIVO Fanirisoa : naaton’ny ministeran’ny Fitsarana

0
Naato amin'ny asany, amin'ny maha mpitsara azy ny kandidà ERNAIVO Fanirisoa raha ny fanambarana navokan'ny eo anivon'ny fitsarana. Tetsy ankilany namoka fanambarana ihany koa ny eo anivon'ny polisim-pirenena ary manameloka taorian'ny fanambarana nataon'ity kandidà ity.

Zotra D : nihatra nanomboka androany ny fampiakarana ny saran-dalana

0
Nihatra nanomboka omaly Alarobia faha-31 octobra, araka ny efa voalaza ny fampiharana ny saran-dalàna amin'ny Zotra D eto Antananarivo renivohitra. 600 Ariary ny Ivato - Antananarivo ary 800 Ariary ny Anosiala - Antananarivo. Fampiatoana amin'ny asa mandritra ny 15 andro ary esorina aminy ny fahazoan-dalana hamily ho an'ireo izay tratra mihodina an-dalana.

Fitobahan’ny fako eto Antananarivo Renivohitra : mandray andraikitra ny Olompirenena

0
Manoloana ny tsy fandraisana andraikitra ataon’ny tomponandraikitry ny tanànan’Antananarivo Renivohitra amin’ireo fako maro, izay mivangongona manerana ny tanàna dia nisy andiana Olompirenena nijoro nandray andraikitra hanadio ny tanàna nanomboka omaly.

Ministeran’ny fitsarana sy ny CSM : manameloka ny fiantsiana nataon’ny kandidà ERNAIVO FANIRISOA

0
Namoka fanambarana manameloka ny fanozonana sy ny fiantsiana ady amin’ny mpitandro ny filaminana nataon’ny kandida FANIRISOA ERNAIVO androany ny ministeran’ny fitsarana sy ny filankevitra ambonin’ny mpitsara. Voalaza anatin’ny fanambarana, fa voararan’ny lalàna, manitsakitsaka ny sata maha mpitsara ary manamavo ny soatoavina maha malagasy ny fihetsika nataon’ity kandidà ity.

Vono olona tao Analavory : nidoboka am-ponja 15 taona ireo nahavanona ny loza.

0
Roa taona aty aoriana vao vita ny fitsarana ireo olona 11 voarohirihy tamin'ny famonoana olona tao Ambohitratoandro Kaominina Analavory. Naharitra 2 andro ny fitsarana vao nivoaka ny didy. Sazy an-tranomaizina 15 taona miampy lamandy 20 Taprisa Ariary no azaon'ireo voapanga.

Fifidianana Filohampirenena ny faha -7 novambra 2018 : ny tsara ho fantatra

0
6 andro mialoha ny fifidianana Filohampirenena izay ho tontosaina amin’ny faha-7 novambra ho avy izao. Ny sampana fahampahalalam-baovaon’ny KOLO TV/FM manomboka anio dia haneho ireo tsara ho fantatra momba ny fanatanterahana io fifidianana Filohampirenena io.