Archives quotidiennes: 3 décembre 2018

Edito du 1 décembre

0
Tsy tonga tonga ho azy ny tsy fandriampahalemana, na an-tanan-dehibe na ambanivolo fa ao raha. Fa rehefa ny tokony hiady amin’ny fanjakan’i Baroa no manao fanjakan’i Baroa, tsy atao mahagaga raha samy manao izay saim-pantany ny rehetra. Rehefa ny natao hitandro ny fandriampahalemana no mivaona amin’ny andraikiny sy ny fahefany, fa izy indray no manao fitsaram-polisy, iza intsony ny hiaro ny vahoaka ?

Ben’ny Tanàna miisa 1091 : manohana an’i Andry RAJOELINA

0
Nanao fanambarana androany Alahady faha-2 desambra ireo solontenan’ny ben’ny tanàna miisa 1 091 avy amin’ny antoko maro samihafa fa manohana tsy misy fepetra ny kandidà Andry RAJOELINA amin’ny fifidianana Filohampirenena fihodinana faharoa ho avy izao teto Antananarivo.

Famonoana mpisolo vava tetsy Antanimena : takiana ny fampiharana ny sazy mifandraika

0
Tsy azo ekena ny herisetra nahazo ny mpisolovava MAITRE IALY tetsy ANTANIMENA ny Sabotsy lasa teo. Miantso ireo tomponandraiki-panjakana isan-tokony hijery akaiky ny raharaha ary hampihatra ny sazy ho an’ny nahavanin-doza ny holafitry ny mpisolo vava. Mampitandrina ireo hikasa hanohintohina sy hanelanelana ny fanadihadiana ihany koa izy ireo.

VIH/SIDA : vitsy no manao fitilina

0
Vitsy no liana amin’ny fanaovana fitilina ny tsimokaretina VIH SIDA eto Madagasikara. Mihanaka hatrany anefa ity tsimokaretina ity araka ny antontan’isa voaray.