vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 17 décembre 2018

Faradoboka ho an’ny laharana faha 13 : nanantanteraka diabe teto Antananarivo

0
Andro vitsy mialohan’ny fifidianana fiodinana faharoa, niavaka ny faradoboka notontosain’ny kandidà laharana faha 13 Andry Rajoelina androany tamin’ny fitetezana ireo boriborintany miisa 6 eto Antananarivo. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka ny nandraisan’ny vahoakan’Antananarivo marobe azy.

Jeneraly NDRIARIJAONA André : tsy fanonganam-panjakana ny tamin’ny taona 2009

0
Nilaza mazava ny Jly misotro ronono NDRIARIJAONA André fa tsy fanonganam-panjakana ny zava-nisy tamin’ny taona 2009. Ny famakiana toby miaramila nakan’ireo ZANADAMBO sy « RESERVISTA » fitaovam-piadiana tamin’ny taona 2002 no tena nampiparitaka ny fitaovam-piadiana teto Madagasikara nandritra ny fandalovany tao amin’ny Onjampeo Miara-Manonja omaly atoandro. Fanadihadiana : RAHARISON Andry

Mpikatroka ara-panatanjahantena : miandrandra fanovana avy amin’i Andry RAJOELINA

0
Tsy diso anjara tamin’ny fanohanana ny kandidà Andry RAJOELINA ireo mpikatroka ara-panatanjahantena eto Antananarivo sy ny manodidina. Ankoatra ny fanambarana fanohanana nataon’ny fikambanan’ny mpanabe ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina, lalao baolina kitra goavana no nentin’ny fikambanana sy antoko politika maro nanentana ny mponina hifidy ny laharana faha 13 ny Alarobia ho avy izao.

Suivi ANR MahajangaAndry RAJOELINA : tsy miova ny fampanantenana nataony ho an’ny vahoakan’i Mahajanga

0
Nakotrokotroka tanteraka ny renivohitr'i Mahajanga nandritra ny fandalovan'ny kandidà Andry RAJOELINA tany an-toerana omaly. Ny vahoakan'i Mahajanga izay efa nametraka ny fitokisany amin'ity kandidà ity hatramin'izay. Tsy hadinon'i Andry RAJOELINA izay nanamafy ny velirano izay efa nataony amin'ny fampandrosoana an'i faritra ity.