vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 18 décembre 2018

Taratasy misokatra ho an’ny kandidà ho filohampirenena : teboka 9 no mila fanamafisana

0
Fa ankoatry ny FFKM dia manao tohivakana hatrany ny fanambarana mivoaka ami’nizao ankatoky ny fifidianana filohampirenena fiodinana faharoa izao. Nandefa taratasy misokatra ho an’ireo kandidà miisa 2 ihany koa ireo fiarahamonim-pirenena izay misehatra eo amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny vehivavy.

Fivondronamben’ny eveka sy FFKM : miantso fitoniana amin’ny fifidianana

0
Nanao fanambarana hisian’ny fifidianana milamina anatin’ny mangarahara ny fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara sy ny FFKM. Teboka maro miantefa mivantana amin’ny vahoaka, ireo mpisehatra mikarakara ny fifidianana sy ireo kandidà ny fanambarana, manomboka any fanentanana ny vahoaka hifidy, ny fanekena ny vokapifidianana sy ny fanajana ny teny nomena ho an’ny kandidà

Andro faran’ny fampielezan-kevitra : efa manana ny safidiny ny olompirenena

0
Efa manana ny kandidà filohampirenena hofidiana ny olompirenena amin'izao roa andro mialohan'ny fifidianana izao. Ilaina ny fanatanterahan'ny ny olompirenena tsirairay avy ny adidiny. Ny vahoaka no masy mandidy ary ny fanehoana ny safidy , marikin'ny demokratia ..

Ravalomanana Marc : nanoso-potaka ny minisitry ny atitany

0
Nolavin'ny tale nasionalin’ny trano printim-pirenena ny filazan'ny kandida Marc Ravalomanana fa nisy taratasin-kara-panondro miisa 500.000 noteren’ny minisitry ny atitany ho tsy maintsy navoakany. Notsipahan’ny prefen’Antananarivo renivohitra ihany koa ny filazana fa manao tsindry amin’ny solontenam-panjakana eo ambany fiahiany ny minisitry ny atitany.