vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 22 décembre 2018

Voka-pifidianana SRMV Antananarivo : efa vita avokoa ny asa

0
Ho voaatitra eny amin’ny CENI foibe hatramin’ny anio alina avokoa ny vokatra voakirakiran’ny SRMV manerana ny distrika 6 eto Antananarivo renivohitra. Ny distrikan’Antananarivo faha enina no nisantatra ny fanaterana ny firaketana an-tsoratra ny maraina teo.

Tatitry ny Vondrona Eropeana sy Afrikana : tsy tokony hisy fandavana ny voka-pifidianana

0
Nilamina amin’ny ankapobeny ny fifidianana fihodinana faharoa raha ny tatitry ny fanarahamaso nataon’ny vondrona Eropeana sy ny Afrikana teto Madagasikara. Tsy maripototra ny fanelezana tsaho momba ny fanotona karapanondro lazaina hosoka sy fahaverezana bileta tokana tena Ambohipo raha ny fanazavana.

Voka-pifidianana : tsy misy fitanilana ny famoahana izany hoy ny CENI

0
Ny antoandro teo no nanomboka tonga ny fitananana an-tsoratra ny voka-pifidianana avy eny anivon'ny SRMV. Ny avy ao amin'ny distrikan'Antananarivo faha 6 no nahatonga izany voalohany. Ny faritanin’Antananarivo sy Fianarantsoa no nandraisana vokatra be indrindra raha ny fanazavana. Nanamafy ny filoha lefitry ny CENI fa tsy  misy ny fifantenana mikasika ny famoahana ny fironana ankehitriny.

Taom-pianarana 2018-2019: nifarana androany ny fizaram-potoana voalohany

0
Nifarana androany ny fizaram-potoana voalohany ho an’ny taom-pianarana 2018-2019 araka ny fandaharana napetraky ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Niroso amin’ny fialantsasatra araka izany ny mpianatra izay namarana ny taona amin’izao ankatoky ny fety. Mikasika ny fiatrehana ny fandaharam-pianarana kosa, tsy voatery hanaraka izany ny sekolim-pinoana raha ny fanazavana.