Archives quotidiennes: 28 décembre 2018

Fifidianana filohampirenena fihodinana faharoa : nahafa-po, hoy ny GIS-M

0
Nahafa-po amin’ny ankapobeny ny fifidianana filohampirenena fihodinana faharoa raha ny nambaran’ny GIS-M na ny Groupe International de Soutien à Madagascar. Izay raha ny votoatin’ny fivoriana nataon’izy ireo ny 20 Desambra lasa teo.

Orinasa Kraomita Malagasy : olona tsy manana vahaolana no napetraka ho Tale Jeneraly Lefitra

0
Notendren'ny filankevi-pitantanan'ny orinasa Kraomita Malagasy ho Tale Jeneraly Lefitr’ity orinasa ity i Jaobarison RANDRIANARIVONY. Tale Jeneraly Lefitra izay tsy ankasitrahan'ireo mpiasa, satria ny mpitondra HVM no ambaran’ny mpiasa ho tompon’antoka voalohany amin'ny faty antoka miompampan’ny orinasa amin’izao fotoana izao.

Minisitry ny Atitany : tsy fotoana fambolena krizy sy korontana intsony izao

0
Tsy fotoana fambolena krizy ny korontana eto amin'ny firenena intsony izao hoy ny minisitry ny Atitany manoloana ny mpanao gazety androany. Ity farany izay nanamafy fa tsy marina akory ny filazana fa nisy ny baiko manery ireo mpiasan'ny ministera haka ny kandida etsy na ny kandida eroa. Manana lalàna sy ny rafitra afaka mitsara isika ka tokony hametraka fitoriana ireo manana olana momba ny valim-pifidianana.

Mpivarotra tsena Noely Parvis Analakely : honero ny saran’ny 5 andro tsy hivarotana

0
Fanaparam-pahefana sy fanaovana botolo no andikan’ireo mpandray anjaran’ny tsenan’ny noely ny fanesorana azy ireo, tetsy amin’ny tokontany malalaky ny lapan’tanàna sy ny manodidina omaly. Mbola tsy nahazoana valiny mazava ankilany ny anton’ny fanesorana ankaterena ireo mpivarotra, izay mitaky ny hanonerana ny saran’ny 5 andro tsy hivarotany.

Vahoaka Malagasy : tsy mila korontana

0
Tsy mila korontana intsony eto amin’ny firenena, io ny feo iraisan’ny vahoaka Malagasy raha ny fanehoan-kevitry ny olon-tsotra nanontanian’ny mpanao gazety taorian’iny fifidianana Filohampirenena fihodinana faharoa iny. Miantso ny hisian’ny fitoniana hatrany ny ankamaroan’ny mponina.