mercredi 24 avril 2024
Accueil 2018 décembre

Archives mensuelles: décembre 2018

LFI 2019 : nambaran’ny HCC fa mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana

0
Nambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenena tamin’ny didy laharana faha-33 – HCC/D3 tamin’ny faha-24 desambra lasa teo fa mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny LFI 2019, na izany teo amin’ny fomba namoahan’ny Filohampirenena mpisolo toerana azy tamina didy hitsivolana na ireo fanitsiana nataon’ny parlementera. Fanadihadiana : RAHARISON Andry

Saran-dalanaKoperativam-pitaterana mihazo ny faritra : manararaotra mampiakatra saran-dalana

0
Anjakan’ny gaboraraka ny tolotra sy ny tinady amin’ny sehatry fitaterana mihazo ny faritra eny amin’ny Fasan-karana. Ankoatra ny fampiakarana saran-dàlana tsy ara-dalàna 10 hatramin’ny 20 % , maro ihany koa ny fanosihosena ny bokin’andraikitra raha ny fanadihadiana. Mikaikaika manoloana izany ireo mpandeha, izay mitaky ny fanarahamaso avy amin’ny ATT.

Trano may 67 ha IVO – 67 Ha : trano ampolony no may kilan’ny afo.

0
Trano am-polony no may teny amin'ny IVO 67 Ha ny ataondro teo. Trano hazo iray no niandohan'ny afo raha ny fanazavan'ny mponina ka nahatonga fianakaviana maro ho may fananana sy traboina. Nampanano sarotra ny famonoana ny afo ny fahalaviran'ny rano na dia tonga ara-potoana ny sampana mpamonjy voina.

Fifidianana solombavambahoaka: ho tanterahina ny faha 20 martsa 2019

0
Ny 20 aprily 2019 no hanatanterahana ny fifidianana solomabavmabhoaka eto Madagasikara araka ny tolokevitra fandaharam-potoana navoakan’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana. Ireo daty tsara ho fantatra mikasika izany no taterina anatin’ity fanadihadiana ity.

Analakely : nahasarika olona ny alin’ny 24 desambra

0
Ankoatry ny tamin'ireo efi-trano fiangonana, isan'ny toerana nahasarika olona ihany koa ny teny Analekely ny alin'ny 24 desambra. Ny tsy fisian'ny fitohanan'ny fifamoivoizana, no isan'ny antony nisafidianan'ireo fianakaviana an'Annalakely. Fanadihadiana

Andron’ny noely – tontolo ambanivohitra : samy nanana ny fomba nanamarihana izany

0
Samy nanana ny fomba nanamarihana ny andron'ny noely ny mponina teny amin'ny tontolo ambanivohitra. Na eo aza ny fety sy ny fihaonanana tamin'ny fianakaviana, ny asa aman-draharaha tsy azo avela raha ny fanadihadiana natao.

Analakely : mahasarika olona hatrany amin’ny vanim-potoanan’ny fety

0
Maro tamin'ireo ray aman-dreny no nisafidy ny hitondra ny ankohonany hiala voly mialohan'ny fahatongavan'ny fetin'nynoely sy ny faran'ny taona. Isan'ny mahasarika olona hatrany ny eny Analakely. Fanadihadiana

Edito du 24 Décembre 2018

0
Tontosa soa aman-tsara iny ny fifidianana filohampirenena, izay efa nandrandrain’ny vahoaka Malagasy taona maro lasa izay. Tsy misy ny tonga lafatra, ny madilana ho tetenina tsy maintsy misy amitsika olombelona. Na eo aza izany, azo ambara fa afaka naneho ny safidiny ankalalahana ny olompirenena feno 18 taona noho miakatra ka voasoratra tao anatin’ny lisim-pifidianana. Fitoniana sy filaminana no ilain’ny vahoaka manomboka eto hahafahana miroso amin’ny fampandrosoana tena izy sy maharitra.

Voka-pifidianana – foiben-toeran’ny Kandida Andry Rajoelina : tsy mifanalavitra ny an’ny Ceni

0
Azo antoka ny vokam-pifidianana mivoaka ao amin'ny foibe toeran'ny kandidà Andry Rajoelina. Ankoatry ny fiaraha-mientana miaraka amin'ny eny ifotony, mampiasa fitaovana toa ny angidim-by ihany koa hahafahana mahazo ny vokatra haingana raha ny fanazavan'ny solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao Vohipeno.

Mbola Rajaonah : tonga namaly ny fiantsoan’ny Bianco teny Ambohibao

0
Naharitra adiny dimy ny fanadihadiana fakana am-bavany an’i Mbola Rajaonah teny amin’ny biraon’ny Bianco Ambohibao ny alakamisy 20 desambra teo. Mijanona ho tsiambaratelo hatreto ny antsipirihin’ny raharaha mahavoasaringotra azy na ny fond de dossier hoy ny teo anivon’ny Bianco.