vendredi 26 avril 2024
Accueil 2018

Archives annuelles: 2018

Voka-pifidianana SRMV Antananarivo : efa vita avokoa ny asa

0
Ho voaatitra eny amin’ny CENI foibe hatramin’ny anio alina avokoa ny vokatra voakirakiran’ny SRMV manerana ny distrika 6 eto Antananarivo renivohitra. Ny distrikan’Antananarivo faha enina no nisantatra ny fanaterana ny firaketana an-tsoratra ny maraina teo.

Tatitry ny Vondrona Eropeana sy Afrikana : tsy tokony hisy fandavana ny voka-pifidianana

0
Nilamina amin’ny ankapobeny ny fifidianana fihodinana faharoa raha ny tatitry ny fanarahamaso nataon’ny vondrona Eropeana sy ny Afrikana teto Madagasikara. Tsy maripototra ny fanelezana tsaho momba ny fanotona karapanondro lazaina hosoka sy fahaverezana bileta tokana tena Ambohipo raha ny fanazavana.

Voka-pifidianana : tsy misy fitanilana ny famoahana izany hoy ny CENI

0
Ny antoandro teo no nanomboka tonga ny fitananana an-tsoratra ny voka-pifidianana avy eny anivon'ny SRMV. Ny avy ao amin'ny distrikan'Antananarivo faha 6 no nahatonga izany voalohany. Ny faritanin’Antananarivo sy Fianarantsoa no nandraisana vokatra be indrindra raha ny fanazavana. Nanamafy ny filoha lefitry ny CENI fa tsy  misy ny fifantenana mikasika ny famoahana ny fironana ankehitriny.

Taom-pianarana 2018-2019: nifarana androany ny fizaram-potoana voalohany

0
Nifarana androany ny fizaram-potoana voalohany ho an’ny taom-pianarana 2018-2019 araka ny fandaharana napetraky ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena. Niroso amin’ny fialantsasatra araka izany ny mpianatra izay namarana ny taona amin’izao ankatoky ny fety. Mikasika ny fiatrehana ny fandaharam-pianarana kosa, tsy voatery hanaraka izany ny sekolim-pinoana raha ny fanazavana.

Fisiana kara-panondro lazaina ho hosoka : nandray andraikitra ny Procureur de la République

0
Nandray fepetra hisorohana ireo ahiahy tsy havanana mahakasika ny fisiana kara-panondrom-pirenena sy kara-pifidianana lazaina ho hosoka ny teo anivon'ny Procureur de la République nanomboka omaly. Nogiazana ireo milina fanontana sy ireo taratasin-kara-panondro eny anivon'ny Tranopiritim-pirenena.

Sambo Flying Pavillon Panama : tazana ao Masoala indray androany

0
Niverina manamorona ny morontsiraka atsinanan'i Madagasikara ary tazana ao Cap Masoala androany tolakandro ilay Sambo FLYING Pavillon PANAMA, voalaza fa mitady hampiakatra antsokosoko bolabolan’Andramena any an-toerana. Raha ny vaovao farany, efa nandray ny andraikitra mifanandrify aminy ny Minisiteran’ny tontolo iaianana, saingy mampametram-panontaniana ny mpanara-baovao hoe iza no ao ambadik’ity raharaha ity matoa manana fahasahiana toy izao ity sambo ity. Fanadihadiana

Taratasy misokatra ho an’ny kandidà ho filohampirenena : teboka 9 no mila fanamafisana

0
Fa ankoatry ny FFKM dia manao tohivakana hatrany ny fanambarana mivoaka ami’nizao ankatoky ny fifidianana filohampirenena fiodinana faharoa izao. Nandefa taratasy misokatra ho an’ireo kandidà miisa 2 ihany koa ireo fiarahamonim-pirenena izay misehatra eo amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny vehivavy.

Fivondronamben’ny eveka sy FFKM : miantso fitoniana amin’ny fifidianana

0
Nanao fanambarana hisian’ny fifidianana milamina anatin’ny mangarahara ny fivondronamben’ny eveka eto Madagasikara sy ny FFKM. Teboka maro miantefa mivantana amin’ny vahoaka, ireo mpisehatra mikarakara ny fifidianana sy ireo kandidà ny fanambarana, manomboka any fanentanana ny vahoaka hifidy, ny fanekena ny vokapifidianana sy ny fanajana ny teny nomena ho an’ny kandidà

Andro faran’ny fampielezan-kevitra : efa manana ny safidiny ny olompirenena

0
Efa manana ny kandidà filohampirenena hofidiana ny olompirenena amin'izao roa andro mialohan'ny fifidianana izao. Ilaina ny fanatanterahan'ny ny olompirenena tsirairay avy ny adidiny. Ny vahoaka no masy mandidy ary ny fanehoana ny safidy , marikin'ny demokratia ..

Ravalomanana Marc : nanoso-potaka ny minisitry ny atitany

0
Nolavin'ny tale nasionalin’ny trano printim-pirenena ny filazan'ny kandida Marc Ravalomanana fa nisy taratasin-kara-panondro miisa 500.000 noteren’ny minisitry ny atitany ho tsy maintsy navoakany. Notsipahan’ny prefen’Antananarivo renivohitra ihany koa ny filazana fa manao tsindry amin’ny solontenam-panjakana eo ambany fiahiany ny minisitry ny atitany.