samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 2 février 2019

Fanamboaran-dalana : tsy hisy intsony ny kitoatoa sy ny kitranoantrano

0
Nampiantso ireo orinasa mpanao lalana eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny asa vaventy. Tsy maintsy mandray ny asany ireo orinasa rehetra nahazo ny tsena misy Garantie raha misy fahasimbana. Hisy ny fandraisana andraikitra amin'ny tsy fanatanterahana izany.

Fiaram-panjakana : naverina ho an’ny fanjakana rehefa nobodon’ny fianakavian’ny filoha teo aloha

0
Naverina ho an'ny fanjakana ireo fiaran'ny ministeran'ny asa vaventy rehefa nobodon'ny fianakavian'ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina an-taona maro sy nampiasainy tamin'ny tombotsoa manokana. Tsy ekena ny fampiasana ny fitaovam-panjakana amin'ny tsy rariny, antony nandraisan'ny ministeran'ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ny andraikiny.

Governemanta NTSAY : nahavita ny fanambaram-pananana ireo minisitra

0
Nanatanteraka ny fanambarampanana teny anivon'ny fitsarana avo momba ny lalàm-panorenana tamin'ity androany ity ireo mpikambana eny anivon'ny governemanta notarihin'ny Praminisitra NTSAY Christian. Fanambaram-panana izay tsy maintsy atao ary didin'ny lalàna.

CEG Analamahitsy : mitaky fanadihadiana lalina sy fandraisana fepetra ny Tale

0
Mitaky ny hanokafan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena fanadihadiana lalina momba ny raharaha CEG Analamahitsy ny mpampianatra. Ankoatra ny famarotana antsokosoko ny tanin’ny sekoly, tsy araka ny fifanarahana ny CEG vaovao namindrana azy ireo hoy ny fanazavana. Nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

Antenimieram-pirenena : nomen’ireo solombavambahoka ny Filohampirenena ny fahefana

0
Nankatoavin'ireo solombavambahoaka androany ny volavolan-dalàna ho fanomezana fahefana ny filohampirenena raha toa ka tapitra ny 05 Febroary izao ny fepo-toam-piasan'izy ireo. Ankilany lany teny anivon'ity antenimiera ity ihany koa ny lalàna mahakasika ny fifidianana solombavambahoaka izay averina amin'ny lalàna nampiasaina tamin'ny taona 2013.