vendredi 26 avril 2024

Archives quotidiennes: 3 février 2019

Edito du 3 février 2019

0
Ambetiten'ny filohampirenena ny hoe asa ary asa avy hatrany. Voaporofo izany nandritra ny fitsidiham-paritra voalohany nataony tany amin'ny faritra atsimon'ny nosy. Fitsidihana voalohany izay namerina indray ny fanantenan'ny vahoaka Malagasy liana sy mangetaheta fampandrosoana.

Antoko Malagasy Miara-Miainga : namita ny adidiny amin’ny fanentanana ny olompirenena

0
Nidina ifotony teny anivon'ny fokontany, nanentanana ny olona hanamarina ny anarany sy hanoratra ny anarany ao anaty lisi-pifidianana amin'izao ankatokin'ny fanavaozana ny lisi-pifidianana izao ny mpikambana eo anivon'ny antoko Malagasy Miara-Miainga ao amin'ny boriborintany fahatelo androany. Ny antoko politika izay manana adidy ihany koa amin'ny fanentanana ny olompirenena amin'ny zotram-pifidianana.

Politique Générale de l’Etat : hamaly ny filan’ny vahoaka eny ifotony

0
Voarafitra anatin'ny fandaharan'asa ao amin' ny politikampanjakana ankapobeny ny fanatanterahana ireo vina entina hampandrosoana an'i Madagasikara. Entina aminao anatin’ity fanadihadiana ity ireo teboka mivoitra anatin’ny velirano ampanantenain’ny filoha ho tanterahana.

RATSIFERANA Hugues sy ny namany : notanana vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora

0
Notanana vonjimaika eny amin'ny fonjan'Antanimora i Hugues RATSIFERANA sy ny namany iray, Tantely izay voarohirohy tamin'ny famoahana ny fitaovam-panjakana tao amin'ny birao teny Ambohitsirohitra ny 27 janoary lasa teo. Izay no fanapahana navoakan'ny fampanoavana tetsy amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy tamin'ity androany ity.