samedi 27 avril 2024

Archives quotidiennes: 4 février 2019

Vato nihotsaka : olona 4 namoy ny ainy, 8 hafa naratra mafy

0
Olona 4 no namoy ny ainy ary 8 hafa naratra mafy vokatry ny fihotsahan'ny tany teny Ambaninampamarinana ny maraina teo. Tonga nijery sy namangy ireo traboina ireo mpikambana eo anivon'ny governemanta. Tsy maintsy ho raisina ny fepetra ary hafindra avokoa ireo mponina amin'ireo faritra tandindomin-doza rehetra tsy hiverenan'ny tranga tahaka izao intsony.

Kaominina Ivato : nosoloina TIM avokoa ireo filoham-pokontany

0
Tsy eken’ny vahoaka ao Ivato raha ny fanehoankevitr’izy ireo ny fanoloana ny sefo fokontany 7 amin’ireo fokontany 8 mandrafitra ny kaominina. Kajikajy amin’ny fiatrehana ny fifidianana manaraka no andraisan’ireo voakasika ny fanalana azy ireo. Takian’ny vahoaka ankilany ny hanatanterahana ny fifidianana filohampokontany izay tomponandriakitra boalohany amin’ny fampandrosoana ifotony.

Ministeran’ny fanabeazam-pirenena : tsy ekena intsony ny kinanamanana sy ny kolikoly

0
Ministeran'ny fanabeazam-pirenena : tsy ekena intsony ny kinanamanana sy ny kolikoly Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy ny fizarana ny fanomezana ara-bola avy amin'ny fitondram-panjakana ho ann'y sekoly tsy miankina amin'ny fanjakana ho ann'y taom-pianarana 2018. Tsy ekena intsony ny fanaovana kolikoly sy ny kinamanamana eo amin'ny sehatry ny fampianaratra manomboka izao hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena nandritra izany.

Ambohidratrimo : tsizarizary ny fahadiovan’ny rano fisotro madio

0
Maro no mitaraina noho ny kalitaon’ny rano avy amin’ny orinasa jirama amin’izao vanim-potoan’ny orana izao. Raha efa lasa fahazarana nandritra ny taona maro ny mahazo rano manopy mavo ary miandry izany hitsiaka vao ampiasaina, ankehitriny ahiana hiantraika amin’ny fahasalamam-bahoaka izany raha ny zava-misy eny amin’ny faritra maro eto Antananarivo indrindra ny eny amin’ny faritra iva.