Archives quotidiennes: 7 février 2019

Fifidianana Solombavambahoaka : hiova ny fomba fifidianana

0
Hisy fiovana ny fomba enti-miatrika ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey izao raha ny famolavolana noeritreretin’ny teo anivon’ny vaomierampirenena mahaleo tena misahana ny fifidianana. Fifidianana olontokana no hatao fa tsy lisitra ka izay mahazo ny vato be indrindra isaky ny fari-piadidiana no ho lany solombavambahoaka.

Lalana eto Antananarivo : ho vitaina ao anatin’ny fotoana fohy

0
Taorian'ny fampiantsoan'ny Ministeran'ny Fanajariana ny tany, ny Toeram-ponenana sy ny Asa Vaventy ireo orinasa mpanao lalana eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ny zoma lasa teo, niroso avy hatrany tamin'ny fanamboarana ny lalana ireo orinasa "sous garantie". Ezahina ho vita amin'ny alahady izao avokoa ireo lalana eto Antananarivo ary orinasa miisa 8 no voakasik'izany.

Banque Mondiale sy UNICEF : nanohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fanabeazana

0
Fanampiana mitentina 100 tapitrisa dolara Amerikanina no natolotry ny mpiara-miombon’antoka ho an'ny minisiteran'ny fanabeazam-pirenena, sy ny fampianarana teknika sy araka asa ho fitohizan'ny fiaraha-miasa ary ho fanatsarana sy fampiroboroboana ity sehatra ity. Tanjona ao anatin'izany ny éducation pour tous izay fanamby apetraky ny minisitera hanatsarana ny fanabeazana eto Madagasikara.

Vadin’ny Filohan’ny Repoblika : tsy manao tsindry bokotra amina tompon’andraikim-panjakana

0
Namoaka fanambarana androany ny eny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika nanome fanazavana ny andraikitra sy ny tokony ho fitondra-tenan’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika na ny « Première Dame ».