vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 8 février 2019

Lisi-pifidianana : 0,28% ny taha-pahavitrihan’ny olompirenena manamarina ny anarany manerana an’i Madagasikara

0
Ambany ny taha-pahavitrihin'ny olom-pirenena manamarina na ihany koa mampiditra ny anarany ao anatin'ny lisi-pifidianana. Latsaky ny 1% ny taha-pahavitrihana manerana ny nosy hoy ny Ceni, ka iantsoana ny fandraisan'andraikitry ny hery velona rehetra ho fanentanana ny olom-pirenena.

Filankevitry ny governemanta : namoaka ny didimpitondrana mamaritra ny asan’ny ministera

0
Ny famaritana ireo asan’ny minisitra mpikambana ao amin’ny governemanta no anisan’ny nisongadina nandritra ny filankevitry ny goverenamanta notanterahana omaly 06 febroary tao amin’ny lapan’i Mahazoarivo. Eo ihany koa ireo asa sasany voafaritra hoatrehana ato anatin’ny volana febroary sy martsa.

07 Febroary 2009 : feno folo taona katroka androany

0
Tantara tsy afaka ao an-tsain'ny Malagasy ny raharaha 7 febroary izay feno folo taona katroka androany. Nanamafy ny filohan'ny repoblikan'i Madagasikara fa tsy havela ho raraka an-tany ny rà latsaka sy ny fitiavan-tanindrazana nasehon'ny Malagasy.

Antsahadinta : tokantrano maro no notetezin’ireo jiolahy mihoatry ny 30.

0
Tokantrano maro no notetezin'ireo jiolahy mirongo basy tao amin'ny fokontany 1 ao Antsahadinta omaly halina tokony ho tamin'ny 9 ora. Lasa avokoa ny vola sy ny fananana sarobidy rehetra, nisy ny naratra ary nisy ny voaolana sy notao takalon'aina. Manao antso avo amin'ny mpitondra ny mponina any an-toerana mba hanampy isa ny mpitandro filaminana any an-toerana.

Orambe teto an-drenivohitra : tsy misy ifandraisany amin’ny rivodoza

0
Tsy misy ifandraisany amin’ny rivo-doza izay ea nambara fa tsy hahakasika an’i Madagasikara ny orana nikija ny tolakandro teo. Hitohy hatramin’ny lahady izao izany raha ny fanazavana avy amin’ny sampana mpamantatra ny toetrandro. Toerana maro teto an-drenivohitra no dibodrano.

Fokontany ambanin’Ampamarinana : nafindra androany ireo fianakaviana 29 tafo anatin’ny faritra mena.

0
Tontosa androany ny famindrana ireo fianakaviana 29 tafo ambiny anatin’ny faritra mena etsy Ambanin’Ampamarinana. Efa tomombana hatramin’ny 80 % ny VILLAGE VOARA ANDOHATAPENAKA handraisana azy ireo hatramin’ny fotoana nanaovana fanadihadiana. Ezahana ho vitaina androany izany hoy ny BNGRC.