vendredi 29 mars 2024

Archives quotidiennes: 10 février 2019

Edito

0
Hita soritra ny finiavan’ny mpitondra hiasa ho an’ny vahoaka sy hampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny fanatanterahana ireo velirano 13 izay nosokajiana ho 5 mazava tsara. Tamin’ity herinandro ity, naroso teny anivon’ny antenimierampirenena ny politikampanjakana ankapobeny. Teboka maro anatin’izany no maneho ny fahavononana izay efa nambaran’ny filohan’ny repoblika : “asa fa tsy kabary”. Fampanantenana maro no ho tanteraka ato anatin’ny herinandro vitsy.

Fanotofana tany tsy ara-dalàna: fiara vaventy 3 no nahiditra “fourrière”

0
Fiara vaventy 3 no nahiditra fourrière io atoandro io nohon’ny fahatratrarana azy ireo nitaona tany hanotofana ny tany etsy Tsarasaotra. Tsy nanana fahazahoan-dalàna ny tompon’ny tany raha ny fanazavana.

Traboina – Ampamarinana : azo itoerana ny toeram-ponenana eny Iharinarivo sy Andohatapenaka

0
Mizotra araka ny tokony ho izy ny fandraisana ireo traboina vokatry ny fiotsahan’ny vato tetsy Ampamarinana. Efa azo itoerana ny toeram-ponenana eny IHARINARIVO sy ny VILLAGE VOARA ANDOHATAPENAKA hoy ireo traboina. Ny lafiny fitaterana sy ny tsena ankilany no mbola andrasana vahaolana avy amin’ny tomponandraikitra isan-tokony raha ny fanazavana.

Valan’aretina pesta : olona 28 no namoy ny ainy manerana ny nosy tato anatin’ny enim-bolana farany

0
Distrika enina no mbola ahitana valan'aretina pesta amin'izao fotoana izao hoy ny tomponandraikitra eo anivon'ny ministeran'ny fahasalamana. Tokony hitandrina ny rehetra fa mbola anatin'ny vanim-potoanan'ny pesta i Madagasikara amin'izao fotoana izao.