Archives quotidiennes: 12 février 2019

Anosizato Atsinanana : tany manan-tompo lasan’ny karana

0
Certificat juridique miisa 2 ho an'ny tany iray. Tranga eny Anosizato Atsinanana. Lasan'ny vahiny tamin’ny fomba tsy mazava ny tanin'ireo mpandova raha ny fanadihadiana natao teny an- toerana io maraina io.

Fitantanan-draharaha sy asam-panjakana : atomboka izao ny fanadiovana, hoy ny Praiminisitra

1
Tsy maintsy atomboka ny fanavaozana ny fitantanan-draharaha sy ny asam-panjakana eto Madagasikara. Io no nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny Praiministra nandritra ny fanokafana ny taom-pianarana ho an’ny ENAM. Isany laharam-pahamehana ny fametrahana ny « Standard de service », ny ivon-toerana mandray an-tanana ny fitarainana momba ny asam-panjakana sy ny fanaovana tombana ny asa vita.

Jly Ratsimandrava – 11 febroary : 44 taona aty aoriana, mbola tsy fantatra ny valin’ny fanadihadiana

0
11 Febroary, andro nitifirana ny Kolonely Richard RATSIMANDRAVA Filoham-panjakana tamin’ny taona 1975. Notsarovana tamin'ity androany ity izany daty mana-tantara ho an'ny Malagasy izany teny Ambohijatovo ambony. 44 taona aty aoriana, tsy hita ny valin'ny fanadihadiana ny amin'izay nitifitra azy.

Tsaratanàna : takalon’aina iray votsotra, dahalo iray voasambotra

0
Takalon’aina iray no votsotra tany Tsaratanàna taorian’ny fifandonan’ireo mpitandro ny filaminana sy ny mpaka ankeriny tao anaty ala. Dahalo iray ihany koa no voasambotra. Izay no mikasika ny trangana fakana ankeriny ny zoma teo tao atsimon’i Tsaratanàna. Tsy mbola nahenoam-baovao kosa ny tao Tsaratanàna II nitranga iray andro talohan’io.