Archives quotidiennes: 13 février 2019

Prefektiora ANTANANARIVO : namoaka didim-panjakana miisa roa

0
Namoaka didim-panjakana miisa roa izay mandrara ny fivezivezen’ny fiara vaventy amin’ny Faritra Avo eto Antananarivo Renivohitra sy ireo fokontany voasokajy ho faritra mena tsy azo onenana ny Prefektioran’Antananarivo androany.

Tetikasa fanavaozana ny Rova: misy ambaratonga tsy azo dinganina ara-tantara

0
Pejin’ny kolontsaina. Misy ambaratongan’olona tsy azo dinganina eo amin’ny lafiny ara-tantara vao azo atao ny manavao na mikitika ny Rova. Fanafainganana ny asa no anton’ny hirosoana amin’ny fakan-kevitr’ireo mpisehatra eo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina.

Olan’ny tondra-drano – Antananarivo : hampiana ny « Station de pompage », hoy ny MAHTP

0
Ny fanorenana tsy ara-dalàna sy ny fanotofana tsy nahazoana alalàna no fototry ny tondra-drano eto Antananarivo. Tsy hita mazava ny andraikitry ny kaominina nanoloana izany, hoy ny mpanara-baovao. Isany vahaolana ho entin’ny ministeran’ny fanajariana ny tany, ny toeram-ponenana sy ny asa vaventy ny fampitomboana ny « station de pompage » eto Antananrivo Renivohitra.

IVANDRY

0
Fanatanterahana didy fampisamborana navoakan’ny fitsarana manokana mitsara ny raharaha fanondranana andramena no nitranga teny Ivandry ny hariva teo. Raha ny loharanombaovao azo, mpandraharaha mpanondrana andramena avy any amin’ny faritra Atsinanana, antsoina hoe MAMINIRINA Jean Eddy, no voasambotra teny an-toerana rehefa navoaka tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana. Ny taona 2017 raha tsiahivina no namoahan’ny BIANCO avis de recherche ity mpandraharaha ity. Nijanona fotoana naharitra tany ampitan-dranomasina ny tenany talohan’izao nisamborana azy izao. Tsy mbola nisy ny fanampim-baovao ofisialy navoakan’ny polisim-pirenena izay nanao ny fisamborana. Ho taterina aminao anatin’ny fampahalalmaboavo hatrany ny mikasika ny raharaha.