vendredi 19 avril 2024

Archives quotidiennes: 14 février 2019

Fampiasana ny lalana : nametrahana « Portique » tetsy Andohalo

0
Araky ny didim-panjakana navoakan’ny Prefektioran’Antananarivo amin’ny famerana ny fivezivezen’ireo fiara vaventy na poids lourds eny amin’ireo faritra avo eto Antananarivo. Nisy androany ny fametrahana portique tetsy akaikin’ny Rovan’i Manjakamiadana.

Mbola RAJAONAH : voasambotra teny Antsahabe

0
Voasambotra ny hariva teo teny amin’ny manodidina an’Antsahabe i Mbola Joseph Rajaonah na Mbola Tafaray. Tanana eny amin’ny biraon’ny borigady misahana ny ady heloka bevava ny tenany.

Fisamborana an’i Eddy MAMINIRINA : raharaha efa hatry ny ela

0
Raharaha efa ela ny anton’ny fisamborana an'i Eddy MAMINIRINA teny Ivandry omaly. Mpandraharaha voasaringotra amin'ny fanondranana andramena hoy ny teo anivon'ny fitsarana voatokana miady amin'ny fanondranana andramena.

Amoron-dalana : amidin’ny kaominina Antananarivo renivohitra avokoa

0
Amidin'ny tomponandraikitra ambony eo amin'ny kaominina Antananarivo renivohitra tsikelikely ny tanim-panjakana. Toa ny tranga etsy Anosy, na misy aza ny fandraràna avy amin'ny minisitera tomponandraikitra, mitohy ny asa fanorenana kioske.