Archives quotidiennes: 16 février 2019

Fidinan’ny vidim-piainana : laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka

0
Nandritran'ny fanadihadiana nataon'ny agence capsule izay niarahana tamin'ny kolo tv ny faha 05 sy 07 Febroary lasa teo dia hita tamin'ny fanadihadiana fa laharam-pahamehana amin’ny vahoaka Malagasy ny fikarakarana ny fidinan'ny vidim-piainana. Tokony atsarain’ny mpitondra farak’izay haingana io sehatra io, hoy ny Mpahay teo-karena.

Fahatapahan-jiro : niverina indray

0
Niverina saika manerana an'Antananarivo indray tato ho ato ny fahatapahan-jiro izay maharitra ora maromaro raha toa ka adiny 2 ny faharetan'ny fehi-potoana nampahafantarin'ny JIRAMA foibe ahatapahan'izany ho an'ireo toerana rehetra voakasik'izany.

Voka-pifidianana SMM : mitarika vonjimaika ny kandidà Clément JAONA

0
Tontosa soa aman-tsara tamin'ity androany ity ny fifidianana izay ho filohan'ny sendikan'ny mpitsara eto Madagasikara na SMM. Mitarika vonjimaika ny kandidà Clément Jaona.

Fampodiana Ambasadaoro : taratry ny fanatsarana ny fifandraisana ara-diplomatika

0
Mbola tsy fantatra mazava ny antony nampitsaharana ireo masoivoho an’i Madagasikara any ivelany tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo, hoy ny teo anivon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny. Taratry ny fahavononana hanatsara sy hanadio ny sehatry ny diplaomasia eto Madagasikara izany hoy ny manampahaizana momba ny fifandraisana iraisam-pirenena.