Archives quotidiennes: 19 février 2019

Sendikan’ny toeram-pianarana familiana fiarakodia : mitaky ny hamerenana ilay taratasy fahazoan-dalana hamily fiara mavokely

0
Misedra olana ankehitriny ireo toerana fampianarana familiana fiarakodia nohon'ny tsy fisian'ny fahazoan-dalana hamily fiarakodia biometrika na ny permis de conduire biometrique. Tsy misy ny famoahana ny taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia hatreto. Tokony ho hisy ny vahaolana vonjy maika hoy ireo mpianatra.

Seranana Toamasina : nohatsaraina ny fomba fiasa

0
Nohatsaraina ny fomba fiasa ao amin'ny famohana sy fampidirana entana ao amin'ny seranan-tsambon'ny Toamasina, indrindra ny ao amin'ny Marchandises Conventionnelles. Hialana amin'ny fitarainan'ireo mpanafatra sy mpanondrana entana no tanjona amin'izany raha ny fanazavana.

Fonja vaky tany Tsiroanomandidy : tsy manana ny sarin’ireo gadra nitsoaka ny fonja

0
Manano sarotra ny fikarohana ireo gadra nitsoaka tao amin'ny fonjan'i Tsiroanomandidy ny Sabotsy lasa teo hoy ny eo anivon'ny zandarimaria, noho ny tsy fananan'ny fonja ny sarin'ireo tafatsoaka. 2 hatramin'ireo no voasambotra raha ny fanazavana.

Lisi-pifidianana : hiverina eny anivon’ny Fokontany aorian’ny faha-28 ny volana ho avy izao

0
Hiverina eny anivon’ny fokontany ny lisi-pifidianana ny faha-28 ny volana ho avy izao, aorian’ny fandalovany eo anivon’ny vaomiera misahana ny fifidianana eo anivon’ny distrika. Manana 20 andro indray manomboka eo ny olompirenena hanamarina ny anarany anatin’ny lisitra vaovao ampiasaina amin’ny fifidianana Solombavambahoaka.